Ho zatovo mahery!
Mahomby miaraka amin’ny Mpamonjy
Martsa 2024


“Mahomby miaraka amin’ny Mpamonjy,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery hiomanana sy hahalasanana amin’izay tokony hahatongavana

Mahomby miaraka amin’ny Mpamonjy

Manampy anao hanatanteraka ny fanirianao marina amin’ny hoavy ny Mpamonjy.

Sary
I Jesoa Kristy mamihina tovovavy

“Miomàna ho amin’ny hoavinao.” Toy ny hoe izany no hafatra voizina be amin’ny fiainan’ny zatovo, any an-tsekoly, any am-piangonana, any am-piasana, any an-trano. Mety hanomboka hieritreritra ianao hoe: “Eny, eny. Azoko.” Mazava ho azy fa fantatrao fa ho avy ny hoavy ary tokony hiomana ho amin’izany ianao. Ary ao anatinao ao dia tianao hatao tsara be ny hoavinao.

Lasa mahafantatra izay tena tsapanao ianao. Mianatra ny zavatra tena tadiavinao ianao. Te hanao zavatra tsara sy manan-danja eo amin’ny fiainanao ianao, mba hahavitanao zavatra miavaka eto amin’izao tontolo izao sy eo amin’ny fiainan’ny olon-kafa, mba hanompoana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminao. Lasa fantatrao fa marina izany ary hahatonga anao ho tena faly.

Koa, reto misy zavatra manan-danja hafa tokony ho fantatrao eo am-pitomboanao sy eo am-piomananao ho amin’ny hoavy:

  • Mahafantatra ny fisaintsainan’ny fonao koa ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:16). Koa satria tsara sy marina ny fanirianao lalina sy mahitsy momba ny fiainanao, dia eo miaraka aminao i Jesoa Kristy mba hampahery anao eo am-piomananao.

  • Tsy hoe miomana hanao zavatra fotsiny ianao, fa tonga amin’izay fantatry ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy fa azonao ahatongavana.

  • Azonao atao ny mankafy ny ankehitriny sady miomana ho amin’ny hoavy koa. Tsy manam-paharoa io fotoana eo amin’ny fiainanao io, ary ny safidy tsara ataonao dia manomana anao amina hoavy tsara.

Rehefa mieritreritra ny zavatra iomananao ianao, dia eritrereto ihany koa ny fomba anamafisan’ny Mpamonjy anao eny an-dalana rehetra eny. Ary eritrereto ny zavatra anampiany anao mba hahatongavanao.

Miomana amin’ny inona ianao izao?

Ireto misy ohatra vitsivitsy fotsiny:

  • Fianarana bebe kokoa

  • Fanekempihavanan’ny tempoly

  • Asa fitoriana

  • Fanambadiana

  • Asa atao sy asa fivelomana

  • Fianakaviana sy ny maha-ray aman-dreny

  • Ny maha-mpianatra mandritra ny fiainana manontolo

Ahoana no ampaherezan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao rehefa miomana ianao?

Ireto misy ohatra vitsivitsy fotsiny:

  1. Alefan’Izy ireo aminao ny Fanahy Masina, izay afaka:

    1. Mampahery anao.

    2. Mitarika anao.

    3. Manentana anao.

    4. Mampahatsiahy anao ireo zavatra nianaranao.

    5. Manome anao fahatokian-tena.

    6. Mitondra fiadanana ho anao.

    7. Mampitony ny tahotrao.

  2. Izy ireo dia manentana ny mpaminany hampianatra anao amin’ny alalan’ny:

    1. Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

    2. Gazetibokin’ny Fiangonana.

    3. Fampitana fandaharana manokana.

    4. Tranonkala sy tambajotran-tseraseran’ny Fiangonana.

    5. Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy.

  3. Mitaona ny hafa hanampy sy hanohana anao izy ireo, anisan’izany ny:

    1. Ray aman-dreny.

    2. Namana.

    3. Mpitarika.

    4. Mpampianatra.

Ampian’i Jesoa Kristy ho lasa iza anao?

I Jesoa Kristy dia manampy anao ho lasa mitovy kokoa amin’ilay karazan’olona toa Azy, mitovy kokoa amin’ny Rainao any An-danitra.

Mifaly amin’ny dingana kely tsirairay ataonao Izy ireo, ny soratra masina tsirairay vakinao, ny asa tsirairay ampanaovina anao ao amin’ny Fiangonana, ny asa tsirairay ampanaovina anao any am-pianarana izay anaovanao ezaka mafy, ny fanadinana rehetra hanaovanao fandalinana, ny fampianarana rehetra atrehinao, ny teny tsara rehetra lazainao, ny asa fanompoana rehetra ataonao, sy ny sisa maro hafa.

Rehefa miaraka amin’ny herin’ny Mpamonjy ianao dia ho vonona tsara kokoa ho amin’ny hoavinao raha mitaha amin’izay mety ho vitanao tsy misy Azy. Ary ho lasa zavatra lehibe kokoa ianao.

Hamoaka printy