Ho zatovo mahery!
Ianao sy ny Mpamonjy mifanandrina amin’izao tontolo izao
Martsa 2024


“Ianao sy ny Mpamonjy mifanandrina amin’izao tontolo izao,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Hery handresena izao tontolo izao

Ianao sy ny Mpamonjy mifanandrina amin’izao tontolo izao

Ny fanelingelenana, ny fakam-panahy, ny fanenjehana, nandresy ny zavatr’izao tontolo izao i Jesoa Kristy ary afaka manatanjaka anao handresy izany koa.

Sary
Vehivavy milanja tontolo eo an-tsorony, miaraka amin’ny sandrin’ny Tompo mitsotra hanampy azy

Sary nataon’i Alex Nabaum

Nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy, ary manasa antsika hanao izany koa Izy. Fa inona moa “izao tontolo izao,” ary midika inona amintsika ny fandresena izany?

Toy izao no nanazavan’ny Filoha Russell M. Nelson izany: “[Ny hoe mandresy izao tontolo izao] dia midika ho fandresena ilay fakam-panahy hifantoka bebe kokoa amin’ny zavatr’izao tontolo izao fa tsy ny an’ Andriamanitra.”1

Mety ho tafiditra ao anatin’ny “zavatr’izao tontolo izao” ny fananana, ny laza, ny fahefana, ny fiderana, ny fahafinaretana, na ny zavatra hafa rehetra ankafizin’ilay olona araka ny nofo ao anatin’ny fiainana an-tany. Na dia tsy ratsy foana aza ny sasany amin’ireo zavatra ireo, rehefa very noho ny firaharahantsika bebe kokoa momba ny zavatr’izao tontolo izao ny fifantohantsika amin’ Andriamanitra isika dia mamorona olana maharitra ho antsika isika.

Nampianatra i Jesoa Kristy fa hiatrika fanoherana sy fanenjehana isika rehefa mandresy izao tontolo izao (jereo ny Jaona 15:18–21). Saingy mbola afaka mahita fiadanana sy matoky ihany isika satria Izy no nandresy izao tontolo izao voalohany (Jaona 16:33).

Ireo zatovo ireo dia nahita hery tao amin’i Jesoa Kristy mba handresena ireo sakana eo amin’izao tontolo izao, ary toy izany koa ianao!

Zavatra mahavariana eto amin’izao tontolo izao

Sary
zatovovavy

Nandany ora maro isan’andro nanaovana lalao an-tsolosaina aho nandritra ny taona maro. Nahita namana aho dia nahatsapa ho nanan-danja. Saingy rehefa avy milalao aho dia mahatsapa ho tsy afapo, toy ireny hoe misy zavatra tsy ampy ireny. Tsy sambatra tanteraka aho.

Te hifantoka tamina zavatra izay tena hahasambatra ahy sy hanampy ahy hihatsara aho. Nanomboka nivavaka matetika aho. Rehefa naneho ny tao am-poko tamin’ny Ray any An-danitra aho, dia nisy fahatsapana fitiavana mahery vaika tao amiko.

Te hanao zavatra izay hahatonga ahy hanatona akaiky kokoa an’i Kristy foana aho, noho izany dia nifantoka tamin’ireo zavatra tsotra toy ny fandalinana soratra masina sy vavaka isan’andro aho, nandany fotoana niaraka tamin’olona nanana ny Fanahy ary niezaka ny tsy ho variana tamin’ireo zavatra mety hahatonga ny Fanahy Masina hiala. Niova ny fiainako. Nahafaly ahy kokoa izany.

Rehefa manakaiky kokoa an’i Kristy aho, dia fantatro fa misy zavatra manan-danja kokoa noho ny lalao an-tsolosaina raha te ho tena sambatra aho. Misy ny zavatra izay maharitra mandrakizay.

Alina U., 18 taona, Litoania

Toe-javatra iainana araka ny rehak’’izao tontolo izao

Sary
zatovovavy

Tany am-pianarana aho dia nampijaliana sy natao fihomehezana noho ny finoako. Noho izany sy ny zava-tsarotra hafa dia tsapako ho toy ny nianjera teo amiko izany ny tsindrin’izao tontolo izao. Saingy nampahery ahy hiantehitra tamin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny reniko satria mahatakatra ny fahoriako i Kristy ary afaka hitondra fiadanana sy fampiononana ho ahy (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23).

Nanapa-kevitra ny hampanantena ny Ray any An-danitra aho fa hifady hanina matetika. Nangataka Azy hanampy ahy tamin’ny fahalemeko sy ny adiko aho, ary nanao izany Izy nanomboka tamin’izany.

Nitondra ahy nanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fifadian-kanina. Fantatro fa eo anilako mandrakariva izy ireo, manome hery ahy handresy ireo zava-tsarotra lalovako sy hahita fahasambarana marina. Manasitrana ny ratrako sy manampy ahy hiverina any amin’ny Raiko any An-danitra i Jesoa Kristy.

Vera R., 17 taona, Brasília, Brezila

Hamoaka printy