Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Manampy ireo razambe handray ôrdônansy masina


“Manampy ireo razambe handray ôrdônansy masina,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Manampy ireo razambe handray ôrdônansy masina,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
vehivavy efa lehibe sy zatovovavy

Manampy ireo razambe handray ôrdônansy masina

Tian’ny Ray any An-danitra ireo havanao izay efa nodimandry ary nanomana fomba handraisan’izy ireo ny fitahian’ny filazantsara amin’ny alalan’ny tempoly Izy.

  • Fantaro ny maha zava-dehibe ny fianakaviana sy ny tempoly. Azonao atao ny mampiasa ny:

    • Qu’est-ce que l’œuvre de l’histoire familiale?,” “Comment puis-je commencer mon histoire familiale et le service au temple?,” ary ny “Mon ancêtre” ao amin’ny La famille et le temple, 15–19.

  • Mivavaha mba hahafantatra razambe iray na maromaro, izay lehilahy raha toa lehilahy ianao ary vehivavy raha toa vehivavy ianao, ka tianao hanaovana asa fanompoana any amin’ny tempoly.

  • Miaraka amin’ny fanampian’ny iray amin’ireo namanao mpikambana, dia manomàna ary manaova printy karatra misy ny anaram-pianakaviana izay azonao entina any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana Fanampiana amin’ny fanomanana ny anaram-pianakaviana. Mba hampiasana ity fitaovana ity dia mila ny laharan’ny firaketana anao ianao. Ny laharan’ny firaketana anao dia hita ao amin’ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly, na azonao alaina amin’ny mpitamboky ao amin’ny paroasinao izany.

  • Raha azo atao dia mamandriha daty handehanana any amin’ny tempoly miaraka amin’ny havana, sy namana, ary mpikambana ao amin’ny paroasy vitsivitsy mba hanao batisa ho an’ireo razambenao.

Hamoaka printy