Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Mandresy ny fahakiviana sy ireo sakana


“Mandresy ny fahakiviana sy ireo sakana,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Mandresy ny fahakiviana sy ireo sakana,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
olona miresaka

Mandresy ny fahakiviana sy ireo sakana

Mety ho sarotra ny fiainana, ary zavatra iainana mahazatra izany lasa kivy sy manao fahadisoana ary manana fanontaniana izany. Rehefa miantehitra amin’ny Tompo ianao, dia ho afaka handresy ireo fahasahiranana sy hahita fiadanana sy fahasambarana.

  • Fantaro ny momba ireo fitahiana sy hery izay azo avy amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mifampiresaha amin’ny mpikambana iray mikasika ny zavatra ataony mba hijanonana ho matanjaka ao amin’ny filazantsara rehefa mihasarotra ny fiainana. Azonao atao ny mampiasa ny:

    • Surmonter le découragement,” Le Liahona,, jolay 2019, amin’ny endriny nomerika ihany.

    • Hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany momba ny fandresena ny fahakiviana (jereo ny Jeffrey R. Holland, “Tahaka ny vilany ariana,” Liahona,, nôv. 2013, 40–42; Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 57–60).

  • Mifampiresaha mikasika izay tokony haleha mba hahazoana ny valin’ireo fanontanianao sy fanampiana mandritra ny fotoan-tsarotra. Diniho ny sasany amin’ireto safidy ireto: mandalina ny soratra masina, miresaka amin’ny mpikambana na ny eveka, mampiasa ireo loharanom-pitaovana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary ny tena manan-danja indrindra dia ny mangataka amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka.

Hamoaka printy