Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Manatsara ny fandalinana ny filazantsara


“Manatsara ny fandalinana ny filazantsara,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Manatsara ny fandalinana ny filazantsara,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
lehilahy sy vehivavy manao fandalinana

Manatsara ny fandalinana ny filazantsara

Zava-dehibe ny mivavaka sy mandalina ny soratra masina matetika, izay ataonao manokana sy miaraka amin’ny fianakavianao (raha azo atao). Rehefa manao izany ianao dia hahatsapa ny Fanahy sy hahita fitarihana eo amin’ny fiainanao andavanandro.

  • Fantaro ny momba ny fanakaikezana kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fanaovana vavaka isan’andro. Azonao atao ny mampiasa ny:

    • Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Io loharanom-pitaovana io dia afaka ny ho mpanome fitarihana ao anatin’ny fandalinanao ny soratra masina isan’andro.

    • Mivavaha matetika” sy ny “Mandalina ny soratra masina” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2018), 76–77.

  • Raha tsy mbola nataonao dia alaivo ilay application Médiathèque de l’Évangile na mankanesa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hahitana lahateny, lahatsoratra, horonan-tsary sy ny maro hafa. Raha mampiasa fitaovana Android ianao dia afaka misintona ilay application avy amin’ny Google Play store. Raha mampiasa fitaovana iOS ianao dia afaka misintona ilay application avy amin’ny Apple App store.

  • Afaka manampy anao hanaraka ny Mpamonjy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany anao ny gazetibokin’ny Fiangonana.

    • Misy gazetibokin’ny Fiangonana telo: ny Liahona ho an’ny olon-dehibe, ny Ho zatovo mahery! ho an’ny zatovo, ary ny Namana ho an’ny ankizy. Afaka mamaky izany maimaimpoana amin’ny endriny nomerika ianao ao amin’ny fizarana “Gazetiboky” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Raha mpikambana vaovao ianao ary tia kokoa ny dika vita pirinty dia mifandraisa amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mba hahazoana famandrihana maimaimpoana mandritra ny herintaona.

  • Raha tanora eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona ianao dia ianaro ny momba ny Institiota amin’ny alalan’ny famakiana “Ny tanjon’ny Institiota” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ary ianaro ny momba ny Zatovo isan-kerinandro ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  • Manolora tena mba handalina ny soratra masina isan’andro, indrindra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, sy hivavaka isan’andro (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:11).

Hamoaka printy