“Mizara ny filazantsara,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)
“Mizara ny filazantsara,” Ny lalan’ny fanekempihavanako
Mizara ny filazantsara
Eritrereto ireo fitahiana izay nentin’ny filazantsara teo amin’ny fiainanao. Tian’ny Ray any An-danitra hiaina ny fifalian’ny filazantsara ny zanany rehetra. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny namanao ny fifaliana azonao, ary asao izy ireo hiaraka aminao any am-piangonana.
-
Ianaro ireo fomba azonao atao mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Azonao atao ny mampiasa ny:
-
“L’œuvre missionnaire” sy ny “Suggestions pour l’œuvre missionaire” ao amin’ny Apprendre et Servir dans l’Église, 17–19.
-
Jereo ny lesona 4, “Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana”, Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 91–92.
-
Eritrereto hoe iza no azonao hizarana ny filazantsara ary amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny filazantsara mitahy ny fiainan’izy ireo. Diniho ireo fitahiana azonao eo am-pizaranao ny filazantsara.
-
Mandraisa hevitra hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary zarao amin’ny hafa ny filazantsara amin’ny alalan’ny fisoratana anarana amin’ny mailaka Living the Gospel.
-
Raha ankizy na zatovo na tanora tokan-tena ianao, dia eritrereto ilay fahafahanao any aoriana ho lasa misiônera amin’ny fotoana feno mitory ny filazantsara na misiônera amin’ny fotoana feno na tsy amin’ny fotoana feno manao asa fanompoana.