Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Mandray ny fanafiana masina


“Mandray ny fanafiana masina,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Mandray ny fanafiana masina,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
olona any amin’ny tempoly

Mandray ny fanafiana masina

Raha olon-dehibe ianao, rehefa feno herintaona ny naha-mpikambana anao dia afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ianao izay mamela anao handray anjara amin’ny ôrdônansin’ny tempoly fanampiny. Handray anjara amin’ny ôrdônansy masina antsoina hoe fanafiana masina ianao ao amin’ny tempoly. Hianatra bebe kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao ary ho asaina hanao fanekempihavanana masina amin’ny Rainao any An-danitra ao anatin’ny fombafomba amin’ny fanafiana masina. Ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo dia hitondra fifaliana lehibe kokoa sy hery masina eo amin’ny fiainanao. Aorian’ny fandraisanao ny fanafiana masina, dia afaka mandray io ôrdônansy io ho an’ny razambenao amin’ny alalan’ny fisoloan-tena ianao.

  • Fantaro ny momba ny fanafiana masina sy ny maha zava-dehibe ny tempoly. Azonao atao ny mampiasa ny:

    • La dotation,” temples.ChurchofJesusChrist.org.

    • Comment ma famille peut-elle retourner vivre avec Dieu?,” “Quel est le but du temple?” ary ny “Qu’est-ce que la dotation du temple?” ao amin’ny La famille et le temple, 2–5, 9–10, 21.

    • Se préparer à aller au temple,” temples.ChurchofJesusChrist.org.

  • Rehefa manakaiky ny maha feno herintaona ny nanaovana batisa anao ianao, dia atombohy ny fanatrehana ny kilasy fiomanana hankany amin’ny tempoly. Mamandriha fotoana hanaovana dinika sy tafa miaraka amin’ny eveka mba hahazoanao ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

  • Mamandriha daty any amin’ny tempoly mba handraisanao ny fanafiana masina anao.

Hamoaka printy