“Mamantatra ny momba ny Fandaharanasan’ny Zatovovavy,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2021)
“Mamantatra ny momba ny Fandaharanasan’ny Zatovovavy,” Ny lalan’ny fanekempihavanako
Mamantatra ny momba ny Fandaharanasan’ny Zatovovavy
Ny fandaharanasan’ny Zatovovavy dia manampy ireo zatovovavy 11 taona ka hatramin’ny 18 taona hiara-hiasa mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
-
Fantaro ny fomba hifankaherezan’ny zatovovavy ao amin’ny Fiangonana mba hananana toetra tahaka ny an’i Kristy bebe kokoa. Azonao atao ny mampiasa ny:
-
Ny tanjon’ny Zatovovavy, faneva, sy ireo kilasy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 11.1–11.3, ChurchofJesusChrist.org).
-
Torolalana fampahafantarana ho an’ny ankizy sy ny zatovon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2019), ChurchofJesusChrist.org.
-
Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy (2022), ChurchofJesusChrist.org.
-
Ireo fizarana ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany momba ny fanokanana ny zatovovavy amin’ny antso (3.4.3.1, 11.3.4.1).
-
-
Raha vehivavy ianao ka 11 taona na mihoatra izany, dia miresaha amin’ny eveka na ny filohan’ny Zatovovavy mba hianatra bebe kokoa momba ny fandaharanasan’ny Zatovovavy sy hihaona amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy.