Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Mamantatra ny momba ny Fikambanana Ifanampiana


“Mamantatra ny momba ny Fikambanana Ifanampiana,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2021)

“Mamantatra ny momba ny Fikambanana Ifanampiana,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
Andiana vehivavy mitsikitsiky

Mamantatra ny momba ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanam-behivavy efa hatry ny ela ho an’ny vehivahy rehetra 18 taona no mihoatra. Ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hanomana ny zanak’ Andriamanitra mba hiverina eo anatrehany sy hanompo ireo sahirana. Ny teny filamatry ny vehivavy ao amin’io fikambanam-behivavy io dia ny hoe: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:8).

  • Fantaro ny maha zava-dehibe ny Fikambanana Ifanampiana. Azonao atao ny mampiasa ny:

    • “Fikambanana Ifanampiana: Tanjona sy firafitra” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 9.1.1–9.1.3.

  • Mandehana mihaona amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hiresaka momba ny fomba ahafahanao mandray anjara amin’ny fanompoana.

Hamoaka printy