Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Maka namana ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao


“Maka namana ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Maka namana ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
vehivavy miara-mihomehy

Maka namana ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao

Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe rehefa miditra ho isan’ny mpiara-mivavaka amin’ny olomasina ianao dia tsy “vahiny sy mpivahiny intsony […], fa tompon-tany” (Efesiana 2:19).

Ny vondrona tsirairain’ny mpiara-mivavaka ao amin’ny Fiangonana dia toy ny fianakaviambe iray izay hahazoanao namana sy fanampiana. Manokàna fotoana mba hahatongavana ho naman’ny sasany amin’ireo mpikambana!

  • Raha manana finday ianao, dia alaivo ilay application Outils pour les membres. Raha mampiasa fitaovana Android ianao dia afaka misintona ilay application avy amin’ny Google Play store. Raha mampiasa fitaovana iOS ianao dia afaka misintona ilay application avy amin’ny Apple App store. Rehefa avy nisintona ilay application Outils pour les membres ianao dia midira amin’ny kaontinao ao amin’ny Fiangonana. Ao amin’ilay application dia azonao atao ny mikaroka fampahalalana momba ny fifandraisana amin’ireo olona ao amin’ny paroasy misy anao.

  • Avy ao amin’ilay application Outils pour les membres dia tadiavo ny kaontinao, havaozy ny momba ny fifandraisana aminao ary ampidiro ny sarinao. Alaivo antoka fa nojerenao sy nohavaozinao ny votoatiny ao amin’ny Fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  • Ataovy izay hifankahalalana bebe kokoa amin’ireo mpitarika anao (ny eveka, ny filohan’ny kôlejin’ny loholona, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, ny filohan’ny Kilonga, ary ireo mpitarika ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy) sy ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao. Resaho amin’izy ireo ny momba ireo fiaraha-mientana ho avy, sy ireo lesona ho avy ary ireo fahafahana manompo.

Hamoaka printy