Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Mamantatra ny momba ny Fisoronana Melkizedeka


“Mamantatra ny momba ny Fisoronana Melkizedeka,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Mamantatra ny momba ny Fisoronana Melkizedeka,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
lehilahy miresaka

Mamantatra ny momba ny Fisoronana Melkizedeka

Amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka, ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Ireo ôrdônansy ireo dia manome fahafahana anao hanao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Na dia samy miasa eo ambanin’ny herin’ny Fisoronana Melkizedeka aza ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fanompoana ataon’izy ireo ao amin’ny Fiangonana, dia ireo lehilahy olon-dehibe mendrika kosa no homena ny Fisoronana Melkizedeka sy manatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

  • Fantaro ny momba ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fomba handraisan’ny mpikambana rehetra fitahiana avy amin’izany. Azonao atao ny mampiasa ny:

    • Que signifie être ordonné à la prêtrise?” ao amin’ny La famille et le temple, 5–6.

  • Raha lehilahy lehibe ianao, dia miresaha amin’ny eveka na ny mpitantsoratra mpanatanteraka mba hamandrihana fotoana hanaovana dinika sy tafa hiomanana ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka na handraisana izany.

  • Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia afaka manome tsodrano fampaherezana sy mitsodrano ny marary. Raha toa ka marary ianao na mila fampaherezana ary te handray tsodrano, dia mangataha tsodrano amin’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray izay tsapanao fa akaiky anao.

Hamoaka printy