“Manatsara ny fandalinana ny filazantsara,” Ny lalako ao amin’ny fanekempihavanana (2020)
“Manatsara ny fandalinana ny filazantsara,” Ny lalako ao amin’ny fanekempihavanana
Manatsara ny fandalinana ny filazantsara
Zava-dehibe ny mivavaka sy mandalina ny soratra masina matetika, izay ataonao manokana sy miaraka amin’ny fianakavianao (raha azo atao). Rehefa manao izany ianao dia hahatsapa ny Fanahy sy hahita fitarihana eo amin’ny fiainanao andavanandro.
-
Mianara momba ny fanatonana kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fivavahana isan’andro. Azonao atao ny mampiasa ny:
-
Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy any am-piangonana. Io loharanom-pitaovana io dia afaka ny ho mpanome fitarihana ao anatin’ny fandalinanao ny soratra masina isan’andro.
-
Ny “Mivavaka matetika” sy ny “Fandalinana ny soratra masina” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 77–79.
-
-
Raha tsy mbola nataonao dia alaivo ilay application Médiathèque de l’Évangile na mankanesa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org mba hahitana lahateny, lahatsoratra, horonan-tsary sy ny maro hafa. Raha mampiasa fitaovana Android ianao dia afaka misintona ilay application ao amin’ny Google Play store. Raha mampiasa fitaovana iOS ianao dia afaka misintona ilay application ao amin’ny Apple App store.
-
Afaka manampy anao hanaraka ny Mpamonjy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany anao ny gazetibokin’ny Fiangonana.
-
Misy telo ny gazetibokin’ny Fiangonana: ny Liahona ho an’ny olon-dehibe, ny Ho zatovo mahery! ho an’ny zatovo, ary ny Namana ho an’ny ankizy. Afaka mamaky izany maimaimpoana amin’ny endriny nomerika ianao ao amin’ny fizarana “Gazetiboky” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Raha mpikambana vaovao ianao ary tia kokoa ny dika vita printy dia mifandraisa amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mba hahazoanao famandrihana maimaimpoana mandritra ny herintaona.
-
-
Raha tanora eo anelanelan’ny 18 sy 30 taona ianao dia ianaro ny momba ny Institiota amin’ny alalan’ny famakiana “Ny tanjon’ny Institiota” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ary ianaro ny momba ny Tanora isan-kerinandro ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Manolora tena handalina ny soratra masina isan’andro, indrindra ny Bokin’i Môrmôna, sy hivavaka isan’andro (jereo ny Asan’ny Apôstôly 17:11).