“Mitandrina ny andro Sabata ho masina,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)
“Mitandrina ny andro Sabata ho masina,” Ny lalan’ny fanekempihavanako
Mitandrina ny andro Sabata ho masina
Isaky ny alahady ianao dia manana fahafahana hampiseho ny fitiavanao an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavatra ataonao amin’io andro io. Asehonao izany fitiavana izany amin’ny fandehanana any am-piangonana, sy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary amin’ny fanompoana ny hafa. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, dia mahatsiaro ny sorona nataon’i Jesoa Kristy sy manavao ireo fanekempihavanana masina izay nataonao tamin’ny batisa.
-
Fantaro ny maha zava-dehibe ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny fitandremana ny andro Sabata ho masina. Azonao atao ny mampiasa ny:
-
3 Nefia 18:1–12 (jereo koa ny Matio 26:26–28; Marka 14:22–25; Lioka 22:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).
-
Sujets de l’Évangile, “Témoignage,” topics.ChurchofJesusChrist.org.
-
“Le respect du jour du sabbat” ao amin’ny Apprendre et Servir dans l’Église (kiboky, 2016), 5–9.
-
-
Ny fizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia manampy anao hampatanjaka izany! Diniho ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananao mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona manaraka.