Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Ny lalan’ny fanekempihavanako


“Ny lalan’ny fanekempihavanako,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Ny lalan’ny fanekempihavanako,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Ny lalan’ny fanekempihavanako

Tonga soa ato amin’ny fianakavian’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany! Eo amin’ny lalana hitondra traikefa vaovao maro ho anao ianao. Amin’ny maha rahavavinao na rahalahinao na amin’ny maha anabavinao na anadahinao anay, sy amin’ny maha namanao anay, dia tianay ny hanampy anao handeha eo amin’io lalana io mba hiorim-paka amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao sy ho tamàna ao amin’ny Fiangonana.

Fantatray fa tena hiavaka ho anao ny fanarahana ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, saingy ho fanombohana azy dia notanisainay eto ireo zavatra manan-danja izay mety hiainanao. Raha mpikambana vaovao ianao, dia saika afaka ny hiaina ireo zavatra rehetra voatanisa ato amin’ity torolalana ity ao anatin’ny herintaona aorian’ny nanaovana batisa anao sy nandraisana anao ho mpikambana. Ny fandraisanao ny fanafiana masina sy ny famehezana anao amin’ny fianakavianao dia afaka ny hitranga amin’ny fiandohan’ilay taona faharoa naha-mpikambana anao.

Raha efa mpikambana mihoatra ny herintaona ianao dia afaka miaina ireo zavatra rehetra ireo vantany vao vonona. Mety efa nanomboka niaina ny sasany tamin’ireo zavatra ireo ianao. Raha izay no izy, dia hanampy anao ity torolalana ity hanatsara izay zavatra ataonao amin’izao fotoana izao. Tsarovy fa ny filaharana sy ny hafainganam-pandeha arahina dia tokony hifototra amin’ny toe-javatra iainanao manokana sy ny fahavononanao ary ny fanirianao.

Rehefa mamaky ny ao anatin’ity torolalana ity ianao dia hahita fa ny famaritana ny zavatra iainana tsirairay dia ahitana asa ampanaovina sy lisitra anaty teboka ahitana ireo loharanom-pitaovana azonao halalinina. Ireo asa ampanaovina sy ireo loharanom-pitaovana ireo dia tena afaka manampy anao eo am-pandrosoanao eo amin’ny lalanao.

Andao ary hanomboka!

Ho an’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo sy ireo misiônera:

Tsotra kanefa tena manan-danja ny anjara asanao amin’ny fanampiana ny mpikamban’ny Fiangonana vaovao na mpikamban’ny Fiangonana niverina indray. Ny tombontsoa tena manan-danja azonao araraotina dia ny fanaovanao izay haha-naman’izy ireo marina anao. Ianao koa dia ho mpanolo-tsaina sy ho mpanome fitarihana azy ireo mandritra ilay roa taona voalohany naha-mpikambana azy ireo.

Hanampy anao amin’izany anjara asa manan-danja izany ity loharanom-pitaovana ity. Vakio miaraka amin’ny mpikambana vaovao na mpikambana niverina indray ireo zavatra iainana tsirairay ao amin’ity loharanom-pitaovana ity ary ampio izy ireo hamita ireo asa ampanaovina. Ho an’ireo asa ampanaovina miantomboka amin’ny hoe: “Fantaro ny momba ny …” dia hamerina hijery sy hiresaka momba ireo loharanom-pitaovana izay voatanisa ao ianao miaraka amin’ilay mpikambana vaovao na mpikambana niverina indray. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanampiana azy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahatsapa ny fitiavanao ary hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Hamoaka printy