Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Mizara ny filazantsara


“Mizara ny filazantsara,” Ny lalan’ny fanekempihavanako (2020)

“Mizara ny filazantsara,” Ny lalan’ny fanekempihavanako

Sary
olona telo miresaka

Mizara ny filazantsara

Eritrereto ireo fitahiana izay nentin’ny filazantsara teo amin’ny fiainanao. Tian’ny Ray any An-danitra hiaina ny fifalian’ny filazantsara ny zanany rehetra. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny namanao ny fifaliana azonao, ary asao izy ireo hiaraka aminao any am-piangonana.

  • Ianaro ireo fomba azonao atao mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Azonao atao ny mampiasa ny:

  • Eritrereto hoe iza no azonao hizarana ny filazantsara ary amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny filazantsara mitahy ny fiainan’izy ireo. Diniho ireo fitahiana azonao eo am-pizaranao ny filazantsara.

  • Mandraisa hevitra hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary zarao amin’ny hafa ny filazantsara amin’ny alalan’ny fisoratana anarana amin’ny mailaka Living the Gospel.

  • Raha ankizy na zatovo na tanora tokan-tena ianao, dia eritrereto ilay fahafahanao any aoriana ho lasa misiônera amin’ny fotoana feno mitory ny filazantsara na misiônera amin’ny fotoana feno na tsy amin’ny fotoana feno manao asa fanompoana.

Hamoaka printy