2021
Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio
Nôvambra 2021


“Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio

Sombin-dahatsoratra

Ry rahalahy sy anabavy malalako, tonga soa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany! …

… Manasa anareo aho mba hihaino zavatra anankitelo mandritra ity fihaonambe ity: fahamarinana madio, ny fotopampianarana madion’i Kristy, ary fanambarana madio. Tsy araka ny fiahiahian’ny olona sasany, fa tena misy izany hoe marina sy diso izany. Tena misy ilay fahamarinana tanteraka, dia ny fahamarinana mandrakizay izany. Anisan’ireo zava-doza amin’izao androntsika izao ny hoe vitsy loatra ny olona mahafantatra izay tokony haleha mba hahitana ny fahamarinana. Manome toky anareo aho fa ny zavatra ho henonareo androany sy rahampitso dia maneho fahamarinana madio.

Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Ny fotopampianaran’i Kristy dia manampy antsika hahita ny lalan’ny fanekempihavanana sy hijanona eo amin’izany. Ny fijanonantsika eo amin’ilay lalana ety nefa voasoritra tsara dia hahamendrika antsika handray izay rehetra ananan’ Andriamanitra amin’ny farany. Tsy misy zavatra hafa manan-danja kokoa noho izay rehetra ananan’ny Raintsika!

Farany, ny fanambarana madio ho an’ireo fanontaniana ao am-ponao dia hahatonga ity fihaonambe ity hitondra fahafaham-po sy ho tsy hay hadinoina. Raha toa ianao ka mbola tsy nikatsaka ny fanompoan’ny anjely mba hanampy anao haheno ny zavatra tian’ny Tompo ho henonao mandritra ireo roa andro ireo, dia manasa anao aho mba hanao izany amin’izao fotoana izao. Aoka ity fihaonambe ity mba ho fotoana hivokisana an’ireo hafatra avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony. Fantaro ny fomba hampiharana azy ireo eo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy