2021
Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana pentina
Nôvambra 2021


“Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana pentina,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy hariva

Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana pentina

Sombin-dahatsoratra

Sary
Lehilahy mifamihina

Misy ireo mandray hafatra diso hoe tsy ilaina ny fibebahana sy ny fiovana. Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe tena manan-danja izy ireny. …

Misy ireo mandray hafatra diso hoe, zavatra atao indray mandeha monja ny fibebahana. Ny hafatr’ Andriamanitra, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, dia hoe “Ny fibebahana … dia dingana arahina.” …

Misy ireo mandray hafatra diso hoe, izy ireo dia tsy mendrika ny handray anjara tanteraka amin’ny filazantsara noho izy ireo mbola tsy afaka tanteraka amin’ny fahazaran-dratsy. Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe, ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy misy pentina. Ny fahamendrehana dia fahamarinan-toetra sy fiezahana. Mila marin-toetra amin’ Andriamanitra isika, amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary amin’ireo olona hafa izay tia antsika, ary mila miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ka tsy hilavo lefona mihitsy raha toa ka solafaka. …

Misy ireo mandray hafatra diso hoe, Andriamanitra dia tsy hanampy raha tsy aorian’ny fibebahantsika. Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe hanampy antsika Izy rehefa mibebaka isika. …

… Tsy loka fotsiny ho an’ireo izay mendrika ny fahasoavany. “Fanampiana masina” izay omeny ka manampy antsika ho lasa mendrika izany. Tsy valisoa fotsiny ho an’ny olo-marina izany. “Fanafiana tanjaka” omeny ka manampy antsika ho lasa olo-marina izany. Tsy hoe mandeha mankany amin’ Andriamanitra sy i Kristy fotsiny isika. Miara-mandeha amin’ Izy Ireo isika. …

… Rehefa mahatsapa ho tsy nahomby imbetsaka loatra ianao ka tsy te hanohy hiezaka intsony, dia tsarovy fa tena misy ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny fahasoavana aterak’izany. “[M]itsotra [aminao] ny sandrin’ny famindram-po.” [3 Nefia 9:14]. Tiana ianao—anio, afaka 20 taona, ary mandrakizay.

Hamoaka printy