2021
Fitiavan’ Andriamanitra: Ny mampiravoravo indrindra ny fanahy
Nôvambra 2021


“Fitiavan’ Andriamanitra: Ny mampiravoravo indrindra ny fanahy,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Fitiavan’ Andriamanitra: Ny mampiravoravo indrindra ny fanahy

Sombin-dahatsoratra

Sary
soratra masina

Azontsika alaina sary an-tsaina ny fitiavan’ Andriamanitra ho toy ny hazavana miposaka avy amin’ny hazon’aina, izay miely patrana maneran-tany mankany am-pon’ny zanak’olombelona. Ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny fitiavany dia manome aina ny zava-drehetra.

Indraindray isika dia manana fihevi-diso hoe, rehefa avy nanaraka ny anja-by sy nihinana ny voan’ny hazo ihany isika vao afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy ny fitiavan’ Andriamanitra ihany anefa no raisin’ireo izay tonga eo amin’ilay hazo fa ilay hery mihitsy izay manosika antsika hikatsaka izany hazo izany. …

Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy hita ao amin’ireo toe-javatra iainantsika, fa ao amin’ny fanatrehany eo amin’ny fiainantsika. Tsapantsika ny fitiavany rehefa mahazo hery mihoatra ny ananantsika isika ary rehefa mahatsapa fiadanana, fankaherezana ary fitarihana avy amin’ny Fanahiny. Misy fotoana, sarotra ny hahatsapana ny fitiavany. Afaka mivavaka isika mba hisokatra ny masontsika ka hahita ny tanany eo amin’ny fiainantsika sy hahita ny fitiavany amin’ny hatsaran’ireo zavatra nohariany.

Rehefa misaintsaina ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny sorona tsy manam-petra nataony isika dia afaka manomboka mahatakatra ny fitiavany antsika. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia maty ho an’ny tsirairay avy amintsika tokoa. Fanehoana ny fitiavany tsy manam-petra ho antsika sy ny Rainy izany. …

Hanokatra ny fontsika anie isika ka handray ny fitiavana madion’ Andriamanitra ho antsika ary hanaparitaka izany fitiavana izany amin’ny ataontsika rehetra sy amin’ny maha- izy azy antsika rehetra.

Hamoaka printy