2021
Famerenana amin’ny laoniny isan’andro
Nôvambra 2021


“Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady maraina

Famerenana amin’ny laoniny isan’andro

Sombin-dahatsoratra

Sary
Tovovavy iray eny an-tsaha eo ambony tohatra mikaroka hazavana

Tsy mahaliana ve izany hoe antony kely toa tsy misy dikany akory dia afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika? …

Ny ankamaroan’ireo fiovana eo amin’ny fiainantsika ara-panahy, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, dia mitranga tsikelikely, dingana iray isaky ny mandeha. …

… Manana mari-toerana azo ianteherana sy hita maso izay azontsika ampiasaina hanombanana ny diantsika isika.

Ary inona ary ireo mari-toerana ireo?

Azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany ny vavaka isan’andro sy ny fisaintsainana ny soratra masina ary ny fampiasana fitaovana azo avy amin’ny fanentanam-panahy toy ny Avia, hanaraka Ahy. Isan’andro isika dia afaka manatona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra amim-panetrentena sy amim-pahamarinan-toetra. Afaka misaintsaina ny zavatra vitantsika isika ary mamerina mijery ireo fotoana tao anatin’ny androntsika, ka mampifanaraka ny sitrapontsika sy ny faniriantsika amin’ny Azy. …

Eritrereto ho toy ny famerenana amin’ny laoniny isan’andro ataonao manokana izany. Mandritra ny diantsika amin’ny maha-mpivahiny antsika eo amin’ilay lalan’ny voninahitra dia fantatsika fa mora lavo isika. Fa tsy misy hafa amin’ny ahafahan’ny fiviliana kely mampihataka antsika amin’ny lalan’ny Mpamonjy no ahafahan’ny fihetsika mifono fanitsiana kely sy tsotra ihany koa mitarika antsika miverina. …

… Afaka mamakivaky ny haizina sy ireo fitsapana eto amin’ity fiainana ity isika ary mahita ny lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana rehefa mikatsaka sy manaiky ireo mari-toerana nomeny, sy mandray fanambarana ho an’ny tenantsika manokana ary miezaka manao famerenana amin’ny laoniny isan’andro. Izany no fomba hahatongavantsika ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra malalantsika.

Hamoaka printy