2021
Mivavaka aho mba hampiasany antsika
Nôvambra 2021


“Mivavaka aho mba hampiasany antsika,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy hariva

Mivavaka aho mba hampiasany antsika

Sombin-dahatsoratra

Sary
Akanjo maro miavosa

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nahazo didy avy amin’ Andriamanitra mba hikarakara ny mahantra. Anisan’ireo andry iankinan’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany.

Ny Fiangonana dia mandray izany andraikitra izany amin’ny fomba maro isan-karazany, tafiditra ao anatin’izany:

  • ny fanompoana ataontsika amin’ny alalan’ny Fikambanana Ifanampiana, ireo kôlejin’ny fisoronana, ary ireo kilasy;

  • ny fifadian-kanina sy ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina;

  • ireo toera-pambolena sy fiompiana ary famokarana sakafo am-bifotsy ho fanampiana olona;

  • ireo ivon-toerana fandraisana olona ho an’ireo mpifindra monina;

  • ny fandaharan’asa fanampiana ireo voafonja;

  • ireo asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana;

  • ary ny application JustServe, any amin’izay toerana misy azy, izay mampifanandrify ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ireo fahafahana manao asa fanompoana mifanentana aminy.

… Raha ireo tetikasa mihoatra ny 1.500 mahakasika ny COVID-19 no zavatra lehibe indrindra nifantohan’ny fanampiana nataon’ny Fiangonana tao anatin’ireo 18 volana farany, dia nanampy tamin’ny loza voajanahary miisa 933 sy tamin’ny olana mahakasika ny mpitsoa-ponenana tao anatin’ny firenena miisa 108 ihany koa ny Fiangonana. …

Indray mandeha ny Loholona Jeffrey R. Holland, rehefa niresaka momba ny asa fanampiana olona ataon’ny Fiangonana dia niteny hoe: “Ny vavaka dia valina … amin’ny ankamaroan’ny fotoana … amin’ny alalan’ny fampiasan’ Andriamanitra olona hafa. Koa mivavaka aho mba hampiasany antsika” [“Neonatal Resuscitation with Elder Holland” (horonan-tsary), The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, Nov. 10, 2011, youtube.com]. …

Ry anadahy sy rahavavy, valin’ny vavaka marobe ianareo tamin’ny alalan’ny fanompoanareo, ny fanatitrareo, ny fotoanareo, ary ny fitiavanareo. Kanefa dia mbola maro ny zavatra tokony hataontsika. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana vita batisa antsika dia manao fanekempihavanana ny hikarakara ireo sahirana isika. Tsy voatery ilàna vola na fandehanana any amin’ny toerana lavitra be ny ezaka ataontsika tsirairay; fa mila kosa ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy fo feno fahavononana hiteny amin’ny Tompo hoe: “Inty aho, iraho aho.”[Isaia 6:8].

Hamoaka printy