2021
Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony
Nôvambra 2021


“Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony

Sombin-dahatsoratra

Sary
I Jesoa Kristy tao Getsemane

Mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy “manat[o]na an’i Kristy [isika], ary hatao tanteraka ao Aminy” [Môrônia 10:32]. Rehefa manatona an’i Kristy isika ka manampy ny hafa hanao torak’izany koa, dia mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana, izay mifantoka amin’ireo andraikitra voatendrin’ Andriamanitra. Ireo andraikitra masina ireo dia mifaraka tsara amin’ireo fanalahidin’ny fisoronana naverin’i Mosesy sy i Elia ary i Elià tamin’ny laoniny izay voarakitra ao amin’ny fizarana faha-110 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ilay didy lehibe faharoa nomena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia ny hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika izany. Izy ireo dia hita eo amin’ny pejy roa voalohany ao amin’ny Boky torolalana maneran-tany nohavaozina, izay ho an’ny mpikambana rehetra. …

  1. Miaina ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy

  2. Mikarakara ireo izay sahirana

  3. Manasa ny rehetra handray ny filazantsara

  4. Mampitambatra ireo fianakaviana ho mandrakizay

Azonao jerena tahaka ny fijeriko azy izy ireo: toy ny tondro zotra miverina mankany amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. …

Voalaza fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia “kanto tsotra izao ary tsotra ao anatin’ny hakantony.” Tsy toy izany izao tontolo izao. Sarotra, mifamahofaho ary feno korontana sy fifandirana. Voatahy isika rehefa miezaka mitandrina ny tsy hamela ny fifamahofahoana, izay fahita eo amin’izao tontolo izao, hiditra eo amin’ny fomba handraisantsika sy hiainantsika ny filazantsara. …

… Tokony hilofo isika rehetra hitazona ny filazantsara ho tsotra, eo amin’ny fiainantsika, ao amin’ny fianakaviantsika, ao amin’ny kilasy sy kôlejy misy antsika, ary ao amin’ny paroasy sy tsatòka misy antsika.

Hamoaka printy