2021
“Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”
Nôvambra 2021


“Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy hariva

“Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?”

Sombin-dahatsoratra

Sary
ny tany

Tianao ho fantatra ve hoe inona no tian’i Jesoa noresahina rehefa nanontany an’i Petera Izy hoe: “Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” [Jaona 21:15]. …

Moa ve ny zavatra eto amin’ity tontolo ity mitondra ho antsika ilay fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana izay natolotry ny Mpamonjy an’ireo mpianany sy atolony antsika? Izy irery ihany no afaka mitondra fifaliana sy fahasambarana ary fiadanana marina ho antsika amin’ny alalan’ny fitiavana Azy sy ny fanarahana ny fampianarany. …

Rehefa fantatsika ny hevitra feno kokoa fonosin’io fanontaniana io, dia afaka ny ho tonga olona ao amin’ny fianakaviana, mpiara-monina, olom-pirenena, mpikamban’ny Fiangonana, ary zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra tsaratsara kokoa isika. …

Tia antsika fatratra ny Ray any An-danitra ka nanomana ny drafitry ny famonjeny Izy izay misy Mpamonjy mitana anjara fototra ao anatin’izany drafitra izany. …

… Mila mino an’i Jesoa sy ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana isika. Ny hoe mino dia midika hoe mitia sy manaraka ny Mpamonjy antsika ary mitandrina ny didy, na dia ao anatin’ny fitsapana sy fifandirana aza. …

Tsy tokony hiala ao amintsika ny fitiavana an’i Jesoa sy ny fanantenana Azy, na dia miatrika olana toa mandifotra antsika aza isika. Tsy hanadino antsika na oviana na oviana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Tia antsika Izy ireo. …

Tokony hahatsiaro mandrakariva isika fa ilay tena fahasambarantsika dia miankina amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, amin’i Jesoa Kristy, ary ny fifandraisana eo amintsika samy isika.

Fomba iray hanehoana ny fitiavantsika ny fiarahana amin’ny fianakaviana, ny namana, ary ireo mpiara-monina mba hanao zavatra kely vitsivitsy mba hifanompoana bebe kokoa. Manaova zavatra izay mahatonga ity tontolo ity ho toerana tsaratsara kokoa.

Inona avy ireo zavatra azonao atao eo amin’ny fiainanao manokana mba hanehoana fa ny Tompo no tianao ambonin’ny zavatra rehetra?

Hamoaka printy