2021
Finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra
Nôvambra 2021


“Ny finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy hariva

Finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Lehilahy mivavaka

Tsy niova hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva ny fomba handraisana fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Nitovy hatrany izany ho an’ireo mpanompon’ny Tompo izay nantsoina hatrany am-piandohana ka hatramin’izao fotoana izao. Mitovy izany ho ahy sy ho anao. Atao amin’ny alalan’ny fampiharana finoana hatrany izany. …

… Manana fanontaniana izay hitadiavanao valiny ianao. Farafaharatsiny manana finoana ampy ianao hanantenana fa handray valiny avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony. Tsy hanana fahafahana hametraka fanontaniana am-bava mba hahazoana valiny avy amin’ireo mpandahateny ianao, kanefa afaka mangataka amin’ny Rainao be fitia am-bavaka.

Fantatro avy amin’ny zavatra niainako fa ireo valiny dia ho tonga arakaraka izay zavatra ilainao sy ny fiomananao ara-panahy. …

Raha toa ny finoanao an’i Jesoa Kristy niteraka fo niha-nalefaka tamin’ny alalan’ny vokatry ny Sorompanavotany, dia ho afaka kokoa ianao hahatsapa ny bitsiky ny Fanahy ho valin’ny vavaka nataonao. …

Rehefa mitaona antsika hangataka valiny amin’ny Ray ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, dia hitondra ihany koa ny hery manalefaka avy amin’ny Mpamonjy izany finoana izany izay ampy handrenesantsika ny torolalana avy Aminy sy hahatonga antsika ho vonona sy ho faly hankatò. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay vatolampy izay ijoroantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika fa i Jesoa no Kristy, fa ity no Fiangonany izay tarihiny Izy Tenany, ary ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminaniny velona ankehitriny. …

Mivavaka aho mba hanananareo fijoroana ho vavolombelona toy izany koa.

Hamoaka printy