2021
Ireo zavatry ny fanahiko
Nôvambra 2021


“Ireo zavatry ny fanahiko,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Ireo zavatry ny fanahiko

Sombin-dahatsoratra

Sary
Balaonina misy endrika mitsiky

Matetika ireo tanora no manontany ahy izay inoako sy ny antony inoako. …

Azoko atao ve ny mizara ny sasany amin’ireo zavatry ny fanahiko? Ireo zavatra ireo dia mihatra amin’izay rehetra mikatsaka ny ho mpianatra marin’i Jesoa Kristy. …

Voalohany, tiava an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. …

Faharoa, “Tiava ny namanao” [Matio 22:39]. …

Fahatelo, tiava ny tenanao.

Eto no sahirana ny maro. Tsy mahavariana ve fa ny mitia ny tenantsika indray no toa tsy tonga ho azy noho ny mitia ny hafa? Kanefa dia nilaza ny Tompo hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” [Matio 22:39]. … Omeny lanja ilay toetra maha-andriamanitra ao anantintsika, ary tokony hanao izany koa isika. Rehefa vesaran’ny fahadisoana isika, na ratram-po, na fahatsapana ho tsy mahavita azy, na fahadisoam-panantenana, na hatezerana, na koa fahotana, dia ilay herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, araka ny tendrin’ Andriamanitra, no anisan’ireo zavatra izay mampitraka ny fanahy.

Fahaefatra, tandremo ny didy. …

Fahadimy, aoka ianao ho mendrika ny hiditra ao amin’ny tempoly mandrakariva. …

Fahaenina, aoka ianao ho falifaly sy miramirana. …

Fahafito, araho ny mpaminany velon’ Andriamanitra.

Mety ho fahafito ity eo amin’ilay lisitry ny zavatra narosoko, saingy mihevitra aho fa io no voalohany raha ny lanjany ankehitriny.

Manana mpaminanin’ Andriamanitra isika eto an-tany amin’izao fotoana izao! Aza tsinontsinoavina velively ny dikan’izany ho anao. …

… Manasa anao aho hamantatra izay fahavalo sy fahasivy ary fahafolo ho anao. Mandiniha fomba azonao hizarana amin’ny hafa ireo “zavatra” ao am-po, ary amporisiho izy ireo hivavaka sy handinika ary hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo.

Hamoaka printy