2021
Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao
Nôvambra 2021


“Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady maraina

Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao

Sombin-dahatsoratra

Sary
boky

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy no “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.” [Hebreo 12:2]. Vonona ve ianao hanasa Azy ho mpanoratra sy mpanefa ny tantaranao? …

Ilay fitsipika ambony dia ambonnin’ny fahafahana misafidy mazava ho azy dia mamela antsika hanoratra ny tantarantsika manokana. Afaka nandeha nody i Davida, niverina niandry ondry. Kanefa i Jesoa Kristy dia vonona ny hampiasa antsika ho fitaovana masina, ho pensily hazo maranitra tsara eo am-pelatanany mba hanoratana sangan’asa lehibe! …

… Kanefa ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka, ny famelana Azy ho mpanoratra sy mpanefa ny tantarantsika, dia mitaky antsika hitandrina ireo didiny sy ireo fanekempihavanana izay nataontsika. Ny fitandremantsika ny didy sy ny fanekempihavanana no hanokatra ny zotram-pifandraisana ho antsika mba handraisana fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy no hahatsapantsika ny tanan’ny Mpampianatra izay manoratra ny tantarantsika miaraka amintsika. …

Nahoana no tiantsika ho ilay mpanoratra sy mpanefa ny tantarantsika ny Mpamonjy? Satria Izy dia mahafantatra tanteraka izay mety ho vitantsika, ary hitondra antsika any amin’ny toerana izay tsy neritreretintsika mihitsy Izy. Azony atao Davida na Estera isika. Hampivoatra antsika Izy sy hanadio antsika ho tahaka Azy kokoa. Hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ireo zavatra ho tanterahintsika rehefa manao asa amim-pinoana bebe kokoa isika. …

Hotsaraina araka ny bokin’ny fiainantsika isika. Afaka misafidy ny hanoratra tantara mampahazo aina ho an’ny tenantsika isika. Na koa afaka mamela ny Mpanoratra sy Mpanefa Lehibe hanoratra ny tantarantsika miaraka amintsika isika, ary mamela ny anjara toerana ilainy holalaovintsika hialoha ireo faniriantsika hafa rehetra.

Aoka i Kristy no mpanoratra sy mpanefa ny tantaranao!

Hamoaka printy