2021
Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy
Nôvambra 2021


“Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy

Sombin-dahatsoratra

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana tovovavy iray

Iray amin’ireo fitsipika miavaka indrindra nampianarin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany ny fanehoam-pangorahana ny hafa. …

… Ny Mpamonjy dia naneho fangorahana tamin’ireo rehetra izay nanatona Azy, tsy nisy fanavahana, ary indrindra tamin’ireo izay tena nila ny fanampiany. …

… Ny fanehoana fangorahana ho an’ny hafa, raha ny marina, no fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary porofo mivaingana amin’ny maha-akaiky antsika ara-panahy sy ara-pihetsehampo amin’ny Mpamonjy. …

… Maro ireo olona eo ambanin’ny ambaindaintsika izay mikatsaka fampiononana, mikatsaka ny mba hohenoina sy horaharahiana, ary izay mety ho fanampiana azontsika omena azy ireo. Afaka ny ho fitaovana eo an-tanan’ny Tompo isika rehetra ary manao asa entanim-pangorahana ho an’ireo sahirana, tahaka ny nataon’i Jesoa. …

… Isika dia tsy tokony hitsaratsara velively ireo mpiara-belona amintsika amin’ny fomba feno fahasahiana sy amin-karatsiam-panahy satria mila fahatakarana an-tsaina sy famindrampo avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitia avokoa isika eo anatrehan’ireo tsy fahalavorariantsika. …

Ry namako isany, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miezaka mampihatra ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fanehoana fangorahana eo amin’ny fiainantsika isika dia hitombo ny fahafahantsika hidera ny hatsarana ao amin’ireo namantsika ary hihena ny fironana voajanahary hitsara ny fahalemen’izy ireo ao amintsika. Hitombo ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, ary azo antoka fa ho lasa mamy kokoa ny fiainantsika, halemy fanahy kokoa isika, ary hahita loharanom-pahasambarana tsy mety ritra isika. Mpampihavana mamoaka teny malefaka toy ny ando amin’ny marain’ny lohataona no hahafantarana antsika.

Hamoaka printy