2021
Ny fitiavan’ Andriamanitra
Nôvambra 2021


“Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Ny fitiavan’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Masoandro mandefa ny tara-pahazavany eny anelanelan’ireo hazo ka mamirapiratra eo amin’ny bozaka

Tia antsika amin’ny fitiavana lalina sy tanteraka ny Raintsika any An-danitra. …

Ifampizaran’i Jesoa Kristy amin’ny Ray izany fitiavana tonga lafatra izany. …

Izany fitiavana masina izany dia tokony hanome fampiononana sy fahatokiana lehibe ho antsika rehefa mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Kristy isika. …

… Ny sasany dia milaza matetika hoe, “Tia ahy amin’ny maha-izaho ahy ny Mpamonjy,” ary tena marina tokoa izany. Saingy tsy afaka maka antsika tsirairay amin’ny maha-isika antsika ho ao amin’ny fanjakany anefa Izy, “fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany” [Môzià 6:57]. …

… Rehefa nantitranteriny tsara fa tsy afaka manome rariny ny fahotana na milefitra amin’ny fahotana Izy, ny Tompo dia manome toky antsika hoe:

“Na izany aza anefa, izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia havela heloka.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:32]. …

… Ny fivavahantsika dia tsy fivavahana manome rariny ny fahotana na fivavahana mivoy ny fahalavorariana feno fa fivavahana manolotra fanavotana kosa, fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. …

Nanaitra ahy hatrany, ary efa tsapako ihany koa, ny fitiavana feno hafanam-pon’ireo mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny fampitandreman’izy ireo amin’ny fahotana. Tsy faniriana hanameloka no manosika azy ireo. Ireo zavatra tena irin’izy ireo dia azo itarafana ny fitiavan’ Andriamanitra; raha ny marina dia izany no fitiavan’ Andriamanitra. …

Eo am-pahafantarana fa tia antsika amin’ny fomba lavorary Andriamanitra, dia mety hanontany tena ny tsirairay hoe: “Manao ahoana ny fitiavako an’ Andriamanitra? Afaka miantehitra amin’ny fitiavako ve Izy, tahaka ny ianteherako amin’ny Azy?” …

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika aho, ary ny amin’ny fitiavan’ Izy Ireo izay azo ianteherana sy tsy mety maty.

Hamoaka printy