2021
Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy
Nôvambra 2021


“Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady maraina

Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
Ekipa mpivoy

Nanazava i Jesoa Kristy fa tsy fotopampianarany ny “mamoky ny fon’ny olona ho tezitra ka hifanohitra izy samy izy; fa izao kosa no fotopampianara[ny] dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany” [3 Nefia 11:28–30]. …

Taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany Amerika, dia niray hina ny vahoaka. … Lasa tsinontsinona ny tsy fitovian’izy ireo raha nampitahaina tamin’ny fitiavana ny Mpamonjy izay niraisan’izy ireo, ary niray hina izy ireo tamin’ny maha-“mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra” [4 Nefia 1:17]. Ny vokany dia “tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa … izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra” [4 Nefia 1:16].

Mitaky ezaka ny firaisan-kina. Mitombo izany rehefa mikolokolo ny fitiavana an’ Andriamanitra ao am-pontsika isika ary mifantoka amin’ny anjarantsika mandrakizay. Ny mampiray antsika dia ny fototra maha-isika iraisantsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika sy ny fanolorantenantsika amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miteraka fiahiana amin-kitsim-po ho an’ny hafa. …

Rehefa ny fitiavana an’i Kristy no manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika, dia halemem-panahy sy faharetana ary hatsaram-panahy no entintsika miatrika ny tsy fitovian-kevitra. Tsy ny fahatsapan’ny tenantsika manokana loatra no isahiranantsika fa ny an’ny namantsika. Mikatsaka ny handravona sy ny hampiray hina isika. Tsy mirotsaka amin’ny “fitsarana eritreritra” isika, na mitsara ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, na miezaka manao izay hahalavo azy ireo. Fa mihevitra kosa isika fa ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika dia manao izay tsara indrindra vitany araka izay traikefam-piainana efa nananany. …

… Ny fanasana ataoko dia hoe aoka isika hahery fo amin’ny fametrahana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny maha- mpianatry ny Mpamonjy antsika ho ambonin’ny foto-kevitra hafa rehetra. Aoka isika hanandratra avo ilay fanekempihavanana mampiavaka ny maha-mpianatra antsika, dia ilay fanekempihavanana ny ho iray.

Hamoaka printy