2021
Ny fananana lehibe indrindra
Nôvambra 2021


“Ny fananana lehibe indrindra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Ny fananana lehibe indrindra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Tanàna jerena avy eny ambony

Rehefa ny fitiavan’ Andriamanitra no mandrindra ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika ary ny zavatra tsapantsika ho an’ny zanak’olombelona rehetra dia hanomboka hanjavona ireo fanavahana taloha sy ireo anarana napetaka tsy mampivoatra, sy ireo fizarazarana ka hitombo ny fiadanana. …

Mazava ho azy fa ilay didy lehibe voalohany nomena ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona no resahintsika eto, dia ny hitia an’ Andriamanitra amin’ny fo manontolo tsy misy fisalasalana na amin’ny endrika tsy mifono marimaritra iraisana, izany hoe amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra. Io fitiavana an’ Andriamanitra io no didy lehibe voalohany manerana izao rehetra izao. Saingy ny fahamarinana lehibe indrindra manerana izao rehetra izao dia ny hoe Tia antsika [amin’izany fomba izany mihitsy] Andriamanitra, dia amin’ny fo manontolo tsy misy fisalasalana na amin’ny endrika tsy mifono marimaritra iraisana izany, amin’ny fony rehetra sy ny heriny sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra. Ary rehefa tafahaona tsy misy sakantsakana ireo hery lehibe avy amin’ny fony sy ny antsika ireo dia hisy fipoahan-kery ara-panahy sy ara-pitondrantena mahery vaika. …

Amin’izay, ary tena amin’izay ihany, vao afaka mitandrina tsara ilay didy lehibe faharoa isika amin’ny fomba tena lalina sy manan-danja. Rehefa tena tia an’ Andriamanitra isika ka miezaka ny ho mahatoky tanteraka Aminy dia Izy no hanome antsika ny fahafahana, ny fahaizana, ny fahavononana, ary ny fomba hitiavana ny namantsika sy ny tenantsika. Ary angamba amin’izay isika dia ho afaka hiteny indray hoe: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.” [4 Nefia 1:16].

Hamoaka printy