2021
Manokàna fotoana ho an’ny Tompo
Nôvambra 2021


“Manokàna fotoana ho an’ny Tompo,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady tolakandro

Manokàna fotoana ho an’ny Tompo

Sombin-dahatsoratra

Sary
mpiandry ondry

Manintona sy sesehena ireo feo sy faneren’izao tontolo izao. Saingy maro amin’ny feo no mamitaka sy manangoly ary afaka hanala antsika tsy ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mba hisorohana ny ratram-po izay manaraka an’izany dia miangavy anareo aho anio mba hanohitra ny fandrik’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana ho an’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.

Raha tonga avy amin’ny tambajotra sôsialy na ny haino vaky jery hafa ny ankabeazan’ny fampahalalana azonao dia hihena ny fahafahanao mihaino ny bitsiky ny Fanahy. Ary raha toa koa ianao ka tsy mikatsaka ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny filazantsara isan’andro dia mamela ny tenanao ho lasa marefo amina filôzôfia izay mety ho mahaliana saingy tsy marina ianao. Na dia ny Olomasina izay mahatoky raha ny mahazatra aza dia mety ho tafiala an-dalana noho ny antsoantso tsy tapaka ataon’ny tarik’i Babylona.

Ry rahalahy sy anabaviko, miangavy anareo aho mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo! Ataovy mafy orina sy tsy tontan’ny ela amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay mamela ny Fanahy Masina hiaraka aminareo mandrakariva ny fototra ara-panahinareo manokana. …

Tsy misy zavatra manasa ny Fanahy kokoa mihoatra noho ny fibanjinana an’i Jesoa Kristy. Miresaha momba an’i Kristy, mifalia ao amin’i Kristy, mivokisa amin’ny tenin’i Kristy, ary miboseseha handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy. Ataovy hoe fahafinaretana ny Sabata rehefa mitsaoka Azy ianareo sy mandray ny fanasan’ny Tompo ary mitandrina ny androny ho masina.

Araka ny nohamafisiko anio maraina, miangavy anareo aho mba hanokana fotoana ho an’ny Tompo ao amin’ny tranony masina. …

… Hitarika sy hanoro lalana anareo eo amin’ny fiainanareo manokana Izy raha toa ianareo ka hanokana fotoana ho Azy eo amin’ny fiainanareo—isan’andro isan’andro.

Hamoaka printy