2021
Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe
Nôvambra 2021


“Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe (1 Nefia 14:14)

Sombin-dahatsoratra

Sary
Mofo sy rano amin’ny fanasan’ny Tompo

Ireo fanekempihavanana, izay nidirana tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana manam-pahefana, dia afaka mamatotra antsika amin’i Jesoa Kristy Tompo no sady fototr’asa lehibe amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly.

Ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asa momba ny tantaram-pianakaviana dia lafin-javatra mifameno sy mifamatotra izay mandrafitra ny asa lehibe iray mifantoka amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina izay ahafahantsika mandray ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ary, amin’ny farany, miverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra. …

Mitondra ny ziogan’ny Mpamonjy eo amintsika isika rehefa mianatra momba ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina, sy mandray izany am-pahamendrehana ary manaja izany. Mifamatotra tsara amin’ny fomba azo antoka amin’ny Mpamonjy isika rehefa mahatsiaro amim-pahatokiana ary manao izay tratra mba hiainana araka ireo adidy izay nekentsika. Ary io fifatorana Aminy io no loharanon’ny hery ara-panahy eo amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika. …

Ireo fampanantenana sy fitahian’ny fanekempihavanana dia tsy misy raha tsy noho i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Manasa antsika Izy hitodika any Aminy, hanatona Azy, hianatra Aminy, ary hifatotra Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona aho ary mampanantena fa ny fanajana ny fanekempihavanana dia mampirongo fahamarinana sy herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe antsika. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo Jesoa Kristy velona no Mpamonjy antsika.

Hamoaka printy