2021
Matokia indray
Nôvambra 2021


“Matokia indray,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021,

Fivoriana alahady tolakandro

Matokia indray

Sombin-dahatsoratra

Sary
zanaka adala

Two Prodigal Sons [Zanaka adala anankiroa], nataon’i Jorge Cocco

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho toy ny nandeha nandositra niala tao an-trano? Matetika ny fandosirana hiala ao an-trano dia midika hoe voatohintohina na rava ilay fahatokiana, dia ny fahatokian-tenantsika izany, sy ny fifampahatokiana eo amintsika samy isika ary ny fahatokiana an’ Andriamanitra. Rehefa voakorontana ny fahatokiana dia manontany tena isika hoe ahoana no ahafahana matoky indray.

Ny hafatro androany dia hoe na ho tonga ao an-trano ianao na hody ao an-trano, dia ho avy hihaona amintsika Andriamanitra. Afaka mahita finoana ao Aminy isika, sy herim-po ary fahendrena sy fandanjalanjana mba hahatokiana indray. Torak’izany koa, Izy dia mangataka antsika mba hitazona ny jirontsika hirehitra hatrany ho antsika samy isika, sy mba hifamela bebe kokoa ary tsy hitsaratsara loatra ny tenantsika sy tsy hifampitsaratsara, mba hahafahan’ilay Fiangonany ho toerana izay ahatsapana ho toy ny any an-trano, na vao voalohany no anatrehantsika izany na miverina ao indray isika.

Ny fahatokiana dia asa iray maneho finoana. …

Fantatsika fa ny fifaliana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Tompo sy ireo antso mba hanompo ao amin’ny Fiangonany dia fanasana natao hahatsapana ilay fahatokian’ Andriamanitra sy ny fitiavany antsika ary ny fitiavana eo amintsika samy isika. …

Lasa tena misy ny fahatokiana rehefa manao zavatra sarotra amim-pinoana isika. Mampitombo ny fahaiza-manao ary manatsara ny fo ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena. …

Na dia tena an’ny tena manokana aza ireo toe-javatra iainantsika tsirairay, dia afaka manampy antsika ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny Fanahy Masina mba hahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenantsika hatoky ny hafa indray. …

Matokia an’ Andriamanitra sy ny fahagagany. Afaka miova isika sy ireo fifandraisantsika amin’olona. …

An’ny tena manokana ny diantsika eto an-tany, saingy afaka miverina any amin’ Andriamanitra Raintsika sy ny Zanany Malalany isika amin’ny alalan’ny fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny fifampahatokiantsika samy isika, ary ny fahatokiana ny tenantsika.

Hamoaka printy