2021
Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana
Nôvambra 2021


“Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady tolakandro

Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Hazavana mitsilo lavaka iray

Nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety natao ny 16 aogositra 2018 dia niteny ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny Tompo dia nampahafantatra ahy ny lanjan’ny anarana izay nomeny ho an’ny Fiangonany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany.[“The Name of the Church,” Aug. 16, 2018, newsroom.ChurchofJesusChrist.org]. …

Nisy fanontaniana tsara nisy nametraka avy eo hoe: Nahoana no amin’izao fotoana izao, kanefa nandritra ny taona maro dia nekentsika ny anaram-bositra hoe “Môrmôna”? “Ny Amboaram-peon’ny Tabernakely Môrmôna,” ilay horonan-tsary fampahafantarana “Je suis Mormon,” ilay hiran’ny Kilonga manao hoe “I Am a Mormon Boy (Zazalahy Môrmôna aho)”?

Tsy miova ary maharitra mandrakizay ny fotopampianaran’i Kristy. Kanefa ireo dingana manokana sy manan-danja eo amin’ny asan’ny Mpamonjy dia ambara amin’ny fotoana mahamety izany. …

Misaotra anareo noho ny ezaka mendri-piderana ataonareo mba hanandratana ny anarana marin’ny Fiangonana. …

Ny Tompo dia nanome tosika ny ezaka nataontsika hanova ireo anarana izay nampifandraisina tamin’ny Fiangonana hatry ny ela. …

An’arivony maro ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nanambara tamin-kerim-po ny anaran’ny Fiangonana. Rehefa manao ny anjarantsika isika, dia hanaraka ireo hafa. …

“Tsy azo ovaina ny anaran’ny Fiangonana.” Handeha isika handroso hatrany amim-pinoana. Rehefa manaraka an-tsitrapo ny torohevitry ny Tompo izay nambara tamin’ny alalan’ny mpaminaniny velona isika, indrindra raha mifanohitra amin’ny eritreritsika voalohany izany, sy mitaky fanetrentena sy fahafoizan-tena, ny Tompo dia manome antsika hery ara-panahy fanampiny ary mandefa ireo anjeliny hanohana antsika sy hijoro eo akaikintsika. Mandray ny faneken’ny Tompo sy ny fankatoavany isika.

Hamoaka printy