2021
Fiadanana ho an’ny tena manokana mandritra ny fotoan-tsarotra
Nôvambra 2021


“Fiadanana ho an’ny tena manokana mandritra ny fotoan-tsarotra,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady maraina

Fiadanana ho an’ny tena manokana mandritra ny fotoan-tsarotra

Sombin-dahatsoratra

Sary
Masoandro milentika eo amina helo-dranomasina misy fiantsonan-tsambo

Tsy mbola nampanantenaina na azo antoka ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao mandra-pahatongan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. …

Kanefa, azo tratrarina ny fiadanana ho an’ny tena manokana na dia eo aza ny fahatezerana, sy fifandirana, ary ny fisaraham-bazana izay manimba sy mamotika ny tontolontsika ankehitriny. Tsy mbola nanan-danja mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny fikatsahana fiadanana ho an’ny tena manokana. …

Na dia tsy hitsahatra ny hiezaka hampisy fiadanana eo amin’izao tontolo izao aza isika, dia nomena toky fa afaka ny hanana fiadanana ho an’ ny tena manokana araka ny ampianarin’i Kristy. Aseho ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana io fitsipika io: “Nefa ianaro fa izay manao ny asan’ny fahamarinana dia handray ny valisoany, dia fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23].

Inona avy ireo “asan’ny fahamarinana” izay hanampy antsika handravona ny disadisa sy hampihena ny fifandirana ka hahita fiadanana eto amin’izao tontolo izao? Mitondra amin’izany avokoa ireo fampianaran’i Kristy rehetra. Hilaza vitsivitsy aho, izay inoako fa manan-danja manokana.

Voalohany: Tiavo Andriamanitra, iaino ireo didiny, ary mamelà ny olon-drehetra. …

Faharoa: Katsaho ireo vokatry ny Fanahy. …

Fahatelo: Ampiasao ny fahafahana misafidy hisafidianana ny fahamarinana. …

Fahaefatra: Aoreno ao am-ponao sy ao an-tokantranonao i Ziona. …

Fahadimy: Araho ireo torohevitra omen’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao. …

Mijoro ho vavolombelona aho ary manome ny tenivavolombeloko manokana amin’ny maha-Apôstôly ahy fa i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao, dia mitarika sy mitantana ny Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny. Ny fiainany sy ilay asa fanavotana nanirahana azy no tena loharanon’ny fiadanana. Izy no Andrian’ny Fiadanana.

Hamoaka printy