2021
Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao
Nôvambra 2021


“Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana alahady maraina

Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

I Shall Not Want [Tsy hanan-java-maha-ory aho], nataon’i Yongsung Kim

Sary
Fanavaozana ny tempolin’i Salt Lake

Toeran’ny asa fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake

Araka ny efa fantatrareo dia eo am-panaovana fanavaozana lehibe amin’ny Tempoly manan-tantaran’i Salt Lake isika ankehitriny. …

Manao ny aintsika tsy ho zavatra isika ankehitriny mba hanomezana ity tempoly nihanarefo ity, fototra izay hahatohitra ny herin’ny natiora ka haharitra hatramin’ny Arivotaona. Toraka izany koa, fotoana ho antsika izao mba handraisana fepetra tsy mahazatra, angamba fepetra mbola tsy noraisintsika mihitsy taloha, hoentina hanamafisana orina ireo fototra ara-panahintsika. Mitaky fepetra tsy manam-paharoa ny fanamby tsy manam-paharoa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orina miorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy isika.

Koa manontany ny tsirairay aminareo aho hoe mafy orina toy ny ahoana ny fototrareo? Ary inona avy ny fanamafisana orina ilaina ho an’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy ny fahatakaranareo ny filazantsara?

Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. …

Raha toa ka mbola tsy tianao ny manatrika ny tempoly dia mandehana any matetika fa aza ahena. Avelao ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahiny, hampianatra sy hanentana ny fanahinao rehefa any. …

Miangavy anareo aho hino ahy fa rehefa miteny aho hoe rehefa ny fototra ara-panahinareo no miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy dia tsy mila matahotra ianareo. Rehefa mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly ianareo dia hampatanjahan’ny heriny. Avy eo rehefa mitranga ireo horohoron-tany, dia ho afaka ny hijoro tsy hikoa ianareo satria mafy orina sy tsy voahozongozona ny fototra ara-panahinareo.

Hamoaka printy