2021
Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery
Nôvambra 2021


“Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Manatòna an’i Kristy kanefa aza manatona irery

Sombin-dahatsoratra

Sary
Jesoa Kristy

Efa nanam-paniriana ny hahatakatra ny tanjon’ny fiainana ve ianao, ka nanontany tena raha mba fantatry ny Ray any An-danitra sy ilainy ianao? Ry zatovo malalako, ary ho an’ny rehetra koa, ijoroako ho vavolombelona fa eny ny valiny. Manana drafitra ho anao ny Tompo! Nomaniny ho amin’izao fotoana ankehitriny izao ianao mba ho hery sy tanjaka hanaovana ny tsara ao amin’ilay asany lehibe. Mila anao izahay! Tsy ho lehibe tsotra izao ilay asa raha tsy misy anao! …

… Manatòna an’i Kristy. Manatòna dieny izao, kanefa aza manatona irery! …

Tsarovy fa ny fomba tsara indrindra mba hampivoaranareo an’izao tontolo izao dia ny fanomanana an’izao tontolo izao ho an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanasana ny olona rehetra hanaraka Azy. …

Fantany koa ny fahoriantsika ary miantso Izy mba hitondrana hankeo Aminy ireo mitaintaina sy rera-tsaina, ny trotraka, ny miavonavona, ny tsy misy mpiraharaha, ny manirery, na ireo izay “ory na manao ahoana na manao ahoana izany.”

… Iza no ho entinko eo amin’i Kristy? Iza no ho entinao? …

… Ry zatovovavy sy zatovolahy, atombohy izao izany, any an-tokantranonareo. …

Fotoana lehibe tokoa izao hirotsahana amin’ny asan’i Kristy!

Eny, antony lehibe no maha-eto an-tany anareo. Averiko ny tenin’ny Filoha Nelson hoe: “Mila anao mba hanova izao tontolo izao ny Tompo. Rehefa ekenao sy arahinao ny sitrapony momba anao, dia ho hitanao fa hahavita izay tsy azo tanterahina ianao!” [Russell M. Nelson, Accomplishing the Impossible: What God Does, What We Can Do (2015), 147.

Hamoaka printy