2021
Ny ilàna Fiangonana
Nôvambra 2021


“Ny ilàna Fiangonana,” Ho zatovo mahery!, nôv. 2021.

Fivoriana sabotsy maraina

Ny ilàna Fiangonana

Sombin-dahatsoratra

Sary
Olona any amin’ny tempoly

Anio, ny hafatro dia mahakasika ireo olona tena mahafinaritra sy mpivavaka izay tsy manatrika na mandray anjara any am-piangonan’izy ireo intsony. Rehefa miteny hoe “fiangonana” aho dia tafiditra ao anatin’izany ny sinagôga sy ny moske ary ireo rafitra ara-pivavahana hafa. Mampiahiahy antsika fa nihena izaitsizy tokoa ny fanatrehana any amin’ireo toerana ireo, manerana ny firenena. …

Manampy antsika ho lasa olona tsara kokoa sy ho fitaomana tsara kokoa eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fanatrehana sy ny fahazotoana ao amin’ny fiangonana iray. …

… Miaraka amina olona mahafinaritra izay miezaka ny hanompo an’ Andriamanitra isika ao am-piangonana. Izany dia mampahatsiahy antsika fa tsy irery isika amin’ny hetsika ara-pivavahana izay ataontsika. Isika rehetra dia mila ny fiarahana amin’ny hafa, ary ny fikambanana ao am-piangonana no isan’ny tsara indrindra izay azontsika iainana. …

… Ny mpikambana izay tsy miangona any am-piangonana fa miankina fotsiny amin’ny ara-panahin’ny tena manokana dia manasaraka ny tenan’izy ireo amin’ireo zavatra tena manan-danja ao amin’ny filazantsara: ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana, ny fahafenoan’ny fotopampianarana naverina amin’ny laoniny, ary ireo antony sy fahafahana tokony hampiharana izany fotopampianarana izany. …

Ankoatra ny fahatsapana fiadanam-po sy fifaliana amin’ny alalan’ny fiarahana amin’ny Fanahy, ny mpikambana manatrika fotoam-bavaka any am-piangonana ao amintsika dia misitraka ny voan’ny fiainana ny filazantsara, toy ny fitahiana avy amin’ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena sy ny fanambinana ara-materialy sy ara-panahy nampanantenaina noho ny fiainana ny lalàn’ny fahafolonkarena. …

… Ny fahafenoan’ny fotopampianarana sy ny ôrdônansiny mitondra fanavotana sy fisandratana dia tsy hita afa-tsy ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny irery ihany.

Hamoaka printy