2022
Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana
Mey 2022


“Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho ny fizarana ny Bokin’i Môrmôna

Hisintona ny endrika PDF

Hatramin’ny fihaonambe farany dia mitohy ireo fahasarotana eto amin’izao tontolo izao. Mbola miantraika amin’ny fiainantsika ilay valanaretina maneran-tany. Ary ankehitriny izao tontolo izao dia nihozongozona noho ny ady. …

Ry rahalahy sy anabavy, tsy mbola nilaina mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Tiako ny Mpamonjy Jesoa Kristy ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny filazantsarany no hany vahaolana maharitra mba hisian’ny fandriampahalemana. …

… Manana andraikitra masina isika ny hizara ny hery sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino sy hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany.

Ny olona tsirairay izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia nampanantena ny hikarakara ny hafa ary hanompo an’ireo izay sahirana. Afaka maneho finoana an’ Andriamanitra isika ary ho vonona mandrakariva ny hamaly ireo rehetra izay manontany momba “ny fanantenana ao anatin[tsika].” [1 Petera 3:15]. …

Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. …

Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery handeha ianareo. …

 …Raisinay an-tanan-droa ihany koa ireo mpivady zokiolona mba hanompo rehefa mamela izany ny toe-javatra iainan’izy ireo. …

Ny misiônera rehetra dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy. Ny haizina ara-panahy eto amin’izao tontolo izao dia mahatonga ny fahazavan’i Kristy ho vao mainka ilaina kokoa mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra. Ny olona rehetra dia mendrika ny hanana fahafahana ny hahafantatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Hamoaka printy