2022
Mampatanjaka, sy miaro ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay ireo fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra
Mey 2022


“Mampatanjaka, sy miaro ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay ireo fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriamben’ny vehivavy

Mampatanjaka, sy miaro ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay ireo fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho mpihanika vatolampy

Hisintona ny endrika PDF

Efa nijoro teo amina harambato ve ianareo ka ny tongotrareo eo amin’ny morony ary ny lamosinareo mitsontsorika any amin’ny lavaka tsy hita nonoa any ambany. Amin’ny fidinana amin’ny tady, na dia mifatotra tsara amina tady mahazaka sy amina fitaovana izay afaka mahatody anao tsara aza ianao, dia mbola mampivadi-po ihany ny mijoro eo amin’ny morony. Ny fandehanana mihemotra eo amin’ny harambato sy ny mikiraviravy amin’ny rivotra dia mitaky ny fitokisana amin’ny fitaovana famaharana iray mitsatoka amina zavatra mafy orina. Mitaky fitokisana amin’ny olona izay hampihenjana ilay tady eo am-pidinanao izany. …

Ny fampitaovana ara-panahy izay miaro antsika tsy ho trotraky ny fahoriana dia ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fanekempihavanana ataontsika. Afaka miantehitra amin’ireo fanohanana ireo isika mba hitarika sy hivimbina antsika hieren-doza. Amin’ny maha-mpiara-dia tsy mandao antsika ny Mpamonjy, dia tsy hamela antsika hianjera ka tsy ho voatantiny Izy. …

Tsy misy zavatra manan-danja kokoa amin’ny fivoarantsika mandrakizay ankoatra ny fitandremana ireo fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra isika sy manovo hery avy amin’ny Mpamonjy mba hitandremana azy ireny dia hahazo fahasambarana kokoa mihoatra noho izay azontsika sainina isika eto amin’ity fiainana ity, ary fiainana mandrakizay be voninahitra amin’ny hoavy.

Hamoaka printy