2022
Fiovam-po hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra
Mey 2022


“Fiovam-po hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Fiovam-po hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho teny nindramina narindra ao anaty faribolana

Hisintona ny endrika PDF

Tao anatin’ny fanompoana sy ny zavatra niainana ara-panahy nandritra ny androm-piainana dia lasa takatro fa ny fiovam-po marina no vokatry ny fanekena an-tsitrapo ny sitrapon’ Andriamamanitra, ary afaka ny hotarihin’ny Fanahy Masina isika ao anatin’ny zavatra ataontsika. …

Inona avy ireo andraikitra ateraky ny fiovam-po? …

… Manasa antsika amim-panajana ny Mpamonjy mba ho feony sy tanany. Ny fitiavan’ny Mpamonjy no ho fahazavana mitarika antsika. Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.” [Matio 28:19]. Ary izao no nambarany tamin’i Joseph Smith: “Mitoria ny filazantsarako amin’ny mananaina rehetra izay tsy nandray izany.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:28]. …

Raha tiana ho lasa ampahany mandrafitra ny maha-isika antsika ilay didin’ny Mpamonjy hizara ny filazantsara, dia mila mba ho lasa miova fo hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra isika, mila mitia ireo namantsika isika, mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, ary manasa ny rehetra ho avy ka hahita. …

Tafiditra ao anatin’ny fiovam-pontsika manokana ny andraikitra hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao.

Tafiditra ao anatin’ireo fitahiana avy amin’ny fizarana ny filazantsara ny fampitomboana ny fiovam-pontsika hanaraka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika. Mitahy ny hafa isika mba hiaina “fiovam[-po] mahery vaika” [Almà 5:14]. Tena misy fifaliana mandrakizay tokoa rehefa manampy amin’ny fitondrana fanahy hanatona an’i Kristy. Ny fiasana ho an’ny fiovam-pon’ny tena manokana sy ny hafa no ilay asa tsara.

Hamoaka printy