2022
Manana tantara avokoa isika tsirairay
Mey 2022


“Manana tantara avokoa isika tsirairay,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy tolakandro

Manana tantara avokoa isika tsirairay

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho endrik’olona milahatra vita amin’ny taratasy

Hisintona ny endrika PDF

Manana tantara avokoa isika tsirairay ry namana, rahalahy sy anabavy. Rehefa mahafantatra ny tantarantsika isika dia lasa mifandray sy miombona ary tonga amin’ny tokony hahatongavana. …

Fantatrao ve ny tantaranao? …

… Ampifandraiso amin’ireo anarana 10 lavitrisa azo karohina ao amin’ny raki-piraketana an-jotra ao amin’ny FamilySearch ankehitriny ireo anaran’ny fianakavianao tao anatin’ny fahatsiarovanao, sy amin’ireo olona 1,3 lavitrisa ao amin’ny rafi-tetiarana. …

… Manome voninahitra ireo razambentsika isika rehefa manokatra ny lanitra amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary rehefa lasa masom-by matanjaka eo amin’ilay rojon’ireo taranatsika mifandimby. …

Afaka manova ny fiainantsika amin’ny fomba tsy ampoizina ny fifandraisana amin’ireo razambe. Mahazo finoana sy hery isika avy amin’ireo fitsapana niainany sy ny zava-bitan’izy ireo. Mianatra mamela heloka sy manohy ny dia isika avy amin’ny fitiavan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany. …

… Ny fanompoana tsy misy tambiny ao amin’ny tempoly ho an’ireo olona lalaina no mahatonga ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho tena zavatra azo tsapain-tanana ho antsika sy ho azy ireo. Rehefa voamasina isika dia afaka miverina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny maha-fianakaviana iray mandrakizay antsika. …

Inona no azontsika atao amin’izao fotoana izao? …

… Angony ny sarin’izy ireo sy ny tantaran’izy ireo; velomy ireo fahatsiarovana azy ireo. Raketo ny anaran’izy ireo sy ny zavatra niainany ary ireo daty manan-danja. Fianakavianao izy ireo—ilay fianakaviana anananao sy nirinao. …

Faharoa, aoka ho avy amin’ny nahim-po sy mandeha ho azy ny fanaovana tantaram-pianakaviana. …

Fahatelo, tsidiho ny FamilySearch.org. Alaivo ireo application rehetra azo alaina. …

Fahaefatra, manampia amin’ny fampiraisana ireo fanakaviana ho mandrakizay. …

Manana tantara avokoa isika tsirairay. Avia mikaroka ny anao. Avia tadiavo ny feonao, ny hiranao, ny firindranao ao Aminy.

Hamoaka printy