2022
Nefa tsy noraharahainay izy ireo
Mey 2022


“Nefa tsy noraharahainay izy ireo,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

Nefa tsy noraharahainay izy ireo (1 Nefia 8:33)

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho zava-maniry maniry eo amin’ny vatolampy

Hisintona ny endrika PDF

Ilay teny hoe miraharaha dia midika hoe mahatsikaritra na mifantoka amin’ny olona na zavatra iray. …

Ny fotopampianaran’i Kristy izay voasoratra “tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona … teo amin’izay vato fisaka nofo[n’ny fontsika]” [2 Korintiana 3:3] dia mampitombo ny fahafahantsika “tsy hiraharaha” ireo zava-mahasarika sy fandrabirabiana ary fanelingelenana maro eo amin’ny tontolo lavo misy antsika. …

Ny fiainana ireo fanolorantena amin’ny fanekempihavanana sy ny fitiavana azy ireo dia miteraka fifandraisana amin’ny Tompo izay tena an’ny tena manokana ary feno hery ara-panahy. …

Ny fifandraisantsika araka ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy no fantsona ahafahantsika mandray ny fahaizana sy ny tanjaka ahafahana “tsy miraharaha.” Ary mihamafy io fifamatorana io rehefa mihazona mafy tsy tapaka an’ilay anja-by isika. …

Mamelà ahy handroso hoe ny mihazona mafy ny tenin’ Andriamanitra dia midika hoe (1) mahatsiaro sy manome voninahitra ary manamafy orina ilay fifandraisantsika manokana amin’ny Mpamonjy sy ny Rainy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary (2) mampiasa ombam-bavaka sy amin’ny fomba matotra sy tsy miovaova ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly ho loharano azo antoka hahazoana ny fahamarinana nambara. …

Mandrosoa hatrany. Mihazòna mafy. Aza miraharaha.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny dia ahafahantsika mandroso hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, sy mihazona mafy Azy amin’ny maha-tenin’ Andriamanitra Azy, ary tsy miraharaha ireo zava-maninton’ny fahavalo.

Hamoaka printy