2022
Mba hanasitrana izao tontolo izao
Mey 2022


“Mba hanasitrana izao tontolo izao,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana alahady maraina

Mba hanasitrana izao tontolo izao

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho an’i Kapiteny Môrônia sy ny fanevan’ny fahafahana

Hisintona ny endrika PDF

Inona no atao hoe fahalalahana ara-pivavahana?

Izany dia ny fahalalahana hitsaoka amin’ny endriny rehetra: fahalalahana hiangona, fahalalahana miteny, fahalalahana manao araka ny finoan’ny tena manokana, ary fahalalahan’ny hafa hanao toy izany koa. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia mamela ny tsirairay amintsika hanapa-kevitra ho antsika mikasika ny zavatra inoantsika, ny fomba fiainantsika sy ny fihetsitsika araka ny finoantsika, ary ny zavatra andrasan’ Andriamanitra amintsika. …

Tao anatin’ny fisafotofotoana tamin’ny taona 1842 i Joseph [Smith] dia namoaka ny fitsipika fototra 13 ijoroan’ilay Fiangonana vao misondrotra, anisan’izany ny hoe: “Isika dia mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.” [Fanekem-pinoana 1:11].

Tsy manavaka sy manafaka ary feno fanajana ny zavatra nolazainy. Izany no tena fototry ny fahalalahana ara-pivavahana. …

Andao hiarahantsika mandinika ireo fomba efatra izay hahazoan’ny fiarahamonina na olon-tokana tombontsoa avy amin’ny fahalalahana ara-pivavahana.

Voalohany. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia manaja ny didy voalohany sy faharoa ary mametraka an’ Andriamanitra ho ivon’ny fiainantsika. …

Faharoa. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia mamporisika ny fanehoana ny finoana sy ny fanantenana ary fiadanana. …

Fahatelo. Ny fivavahana dia mitaona ny olona hanampy ny hafa. …

Ary fahaefatra. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia hery mampiray sy mampivondrona mba hanorenana soatoavina sy fahadiovam-pitondrantena. …

Manasa anareo aho mba ho mpivoy ny foto-kevitry ny fahalalahana ara-pivavahana. Izany dia fanehoana ny fitsipiky ny fahafahana misafidy izay avy amin’ Andriamanitra.

Hamoaka printy