2022
Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany
Mey 2022


“Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana alahady tolakandro

Talanjona amin’i Kristy sy ny filazantsarany

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho an’i Jesoa Kristy

Hisintona ny endrika PDF

Nisaintsaina ny amin’ny zava-mahagaga ara-panahy, raha izay no ilazako azy, izay afaka sy tokony ho tsapantsika ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fiovana afaka entin’izany amin’ny maha-mpianatra antsika ary koa eo amin’ny diantsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay [aho]. …

… Ny fototr’izany ezaka ataontsika izany dia mazava ho azy fa ireo didy roa lehibe: ny hitia ny Tompo Andriamanitsika sy ny hitia ny namantsika tahaka ny tenantsika. …

… Noho izany, rehefa manolo-tena amin-kitsimpo sy am-pahamarinana isika fa hibanjina Azy sy hianatra avy amin’ny ohatra tonga lafatra nasehony, dia lasa mahafantatra Azy kokoa isika. Mitombo ny hafanam-pontsika sy faniriantsika hampiditra eo amin’ny fiainantsika ireo fenitra avo tokony arahintsika sy ny ohatra tokony asehontsika ary ireo didy tokony arahintsika. …

Ry namako malala isany, ireo zavatra rehetra ireo dia hahatonga antsika ho talanjona ara-panahy kokoa amin’ny filazantsara ary hanosika antsika hitandrina am-pifaliana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo, na dia eo anivon’ireo fitsapana sy fanamby izay atrehantsika aza. …

… Mivavaka aho mba hijanona ho talanjona hatrany isika amin’i Jesoa Kristy sy ilay fitiavany tanteraka, tsy manam-pahataperana ary tonga lafatra. Enga anie ny fahatsiarovantsika ny zavatra hitan’ny masontsika sy tsapan’ny fontsika ka hahatonga antsika hitolagaga kokoa amin’ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy, izay afaka ny hanasitrana antsika amin’ireo ratrantsika ara-panahy sy ara-pihetsehampo ka hanampy antsika hanatona Azy kokoa.

Hamoaka printy