2022
Mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra
Mey 2022


“Mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

Mafy orina ao anatin’ny tafio-drivotra

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho tilikambo fanilon-tsambo

Hisintona ny endrika PDF

Ho antsika izay miahiahy momba ny tenantsika sy ireo olona lalaintsika, dia misy fanantenana ao anatin’ilay fampanantenana nataon’ Andriamanitra mikasika ny toeram-pialofana iray ao anatin’ireo tafio-drivotra ho avy. …

Azontsika ampiharina amin’izao androntsika izao ireo teny mifono faminaniana nambaran’i Benjamina Mpanjaka. …

Nanasa antsika sy ny vahoakany izy hiorina eo amin’ilay hany vatolampy misy fiarovana azo antoka, dia ny Mpamonjy izany. Nataony mazava tsara fa afaka misafidy ny tsara na ny ratsy isika ary tsy afaka ny hisoroka ireo vokatra aterak’izay safidy nataontsika isika. …

Miova ho lasa tahaka ny an’ny ankizy ny toetrantsika, izay mankatò sy be fitiavana kokoa. Izany fiovana izany dia hanome fahafahana antsika hahazo ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hampahery sy hitarika ary hampatanjaka antsika ny fananana ny Fanahy ho namana. …

Rehefa tonga ireo tafio-drivotry ny fiainana, dia afaka ny ho mafy orina ianao satria mijoro eo amin’ny vatolampin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy ianao. Izany finoana izany dia hitondra anao amin’ny fibebahana isan’andro sy ny fitandremana tsy tapaka ny fanekempihavanana. Dia hahatsiaro Azy mandrakariva ianao. Ary hahatsapa ho mafy orina sy feno fanantenana ianao ao anatin’ireo tafio-drivotry ny fankahalana sy ny faharatsiana. …

 … Ekeo tahaka ny ankizy malemy fanahy sy feno fitiavana ny fanampiany. Ataovy ary hajao ireo fanekempihavanana atolony ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hampatanjaka anao izy ireo. Fantatry ny Mpamonjy ireo tafiotra sy ireo toeram-pialofana eny amin’ny lalana mitondra any Aminy sy ny Ray any An-danitra. Fantany ny lalana. Izy no Lalana.

Hamoaka printy