2022
Ny toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizay
Mey 2022


“Ny toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizay,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriamben’ny vehivavy

Ny toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizay

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina misy endrika mitsiky

Hisintona ny endrika PDF

Manan-danja ho an’ny zatovovavy ny fotopampianarana lalina ampianarina ao anatin’ny fanevan’ny Zatovovavy kanefa azo ampiharina amin’ny rehetra izany. …

… Voalohany dia zanakavavy lalaina ianao. Tsy misy zavatra ataonao, na tsy ataonao, afaka manova izany. Tian’ Andriamanitra ianao. …

Ny fahamarinana faharoa dia manana ray aman-dreny any an-danitra isika, ray sy reny. …

Ny fahamarinana fahatelo ao amin’ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny fanevan’ny Zatovovavy dia milaza hoe manana “toetra araka an’ Andriamanitra” isika. Ampahany manan-danja amin’ny maha-isika antsika izany. “Fototarazo” ara-panahy nolovaintsika avy amin’ny ray aman-drenintsika ara-panahy izany. …

Ny fahamarinana fahefatra dia hoe manana “anjara mandrakizay” isika. …

. … Manana safidy malalaka isika, saingy tsy afaka misafidy ny vokatry ny tsy fanarahana ny lalana nambara isika. …

Rehefa mibebaka amin-kitsim-po isika dia tsy misy holatra ara-panahy tavela, na inona na inona nataontsika, na goavana toy ny ahoana izany, na efa impiry naverintsika izany. Ho voavela heloka foana isika isaky ny mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka amin’ny finiavana marina. …

… Azo avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanaovana fanekempihavanana masina ny finoana.

…Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

…Tian’ny Raintsika any An-danitra ho lasa mpandova Azy ianareo ary hahazo izay rehetra ananany. Tsy misy zavatra azony omena anareo mihoatra izany. Tsy misy zavatra azony ampanantenaina anareo mihoatra izany. Tia anareo mihoatra izay fantatrareo Izy ary tiany ho sambatra eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy ianareo.

Hamoaka printy