2022
Manaraka an’i Jesoa: mpampihavana
Mey 2022


“Manaraka an’i Jesoa: mpampihavana,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana sabotsy maraina

Manaraka an’i Jesoa: mpampihavana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho tendrombohitra eny amin’ny faravodilanitra

Hisintona ny endrika PDF

Ny Tompo dia nampianatra ny fomba hiainana, tamin’izany sy amin’izao fotoana izao, ao anatina tontolo feno faniratsirana. “Sambatra ny mpampihavana,” hoy Izy, “fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.” [Matio 5:9]. …

Ahoana no ataon’ny mpampihavana mba hampitony sy hanalefaka ny zana-tsipìka mirehitra? Azo antoka fa tsy amin’ny alalan’ny fihemorana eo anatrehan’ireo izay manao tsinontsinona antsika. Fa amin’ny alalan’ny fijanonana ho matoky tena amin’ny finoantsika kosa, ny fizarana ny finoantsika amin’ny faharesen-dahatra, nefa tsy misy fahatezerana na faniriana hanao ratsy. …

Inona no manome antsika hery anaty mba hanalefaka sy hampitony ary hamono ireo zana-tsipìka mirehitra mikendry ny fahamarinana izay tiantsika? Ilay hery dia avy amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny finoantsika ny teniny. …

Na dia hoe ny mba hanajan’ny rehetra ny fampianaran’ny Mpamonjy aza no fanirianay amim-panetrentena, ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny dia matetika mifanohitra amin’ny eritreritra sy ny fironana eo amin’izao tontolo izao. Efa toy izany foana izany hatramin’izay. …

Tiantsika sy raharahiantsika amin-kitsim-po ireo namantsika rehetra, na mino na tsia ny zavatra inoantsika izy ireo. …

… Misy fotoana ny hoe mpampihavana dia midika hoe manohitra ny faniriana hamaly isika fa mitoetra ho mangina amim-pahamendrehana kosa. …

Mampalahelo fa tsy ny rehetra no hiorina mafy amin’ny fitiavany ny Mpamonjy sy ny fahavononany hitandrina ny didiny. …

Isika koa dia afaka miala amin’ny fifandirana sy mitahy ny fiainan’ny hafa nefa tsy mitokatokana tsy mifandray aman’olona. …

Enga anie isika ho tia Azy sy hifankatia. Enga anie isika mba ho mpampihavana, mba hahafahana miantso antsika hoe “zanak’ Andriamanitra.”

Hamoaka printy