2022
Manasitrana izay rava i Kristy
Mey 2022


“Manasitrana izay rava i Kristy,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana alahady maraina

Manasitrana izay rava i Kristy

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho an’i Jesoa Kristy mamihina lehilahy iray

Hisintona ny endrika PDF

Sary nalain’i Mark Mabry

Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny soratra masina isika mikasika ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika hamakivaky amim-pahombiazana ireo zavatra rava eo amin’ny fiainantsika, na firy taona na firy taona isika. …

Raha nampianatra tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy dia nisy vehivavy iray nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo teo Aminy. Tsy fantatsika ny tantarany manontolo, fa “azo olan-tanana nijangajanga” fotsiny izy [Jaona 8:4]. …

Ny valin-tenin’i Kristy tamin’io zanakavavin’ Andriamanitra sarobidy io dia hoe: “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.” [Jaona 8:11]. Ny fomba iray hafa ilazana ny hoe “mandehana, ary aza manota intsony” dia mety ny hoe “mirosoa ary miovà”. Nanasa azy hibebaka ny Mpamonjy. …

Ny Tompo dia mampianatra antsika fa ny famelana ny hafa dia didy iray ho an’izao tontolo izao: “Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10]. …

Matetika eo amin’ny fiainantsika dia mety mahita ny tenantsika ho toa an’ilay mpangataka malemy tongotra teo am-bavahadin’ny tempoly isika —“miandry an’i Jehovah” amim-paharetana—na indraindray amin’ny tsy faharetana.” [Isaia 40:31]. …

Ny hoe mampihatra finoana an’i Kristy dia tsy vitan’ny hoe mitoky amin’ny sitrapon’ Andriamanitra fotsiny ihany fa mitoky amin’ny fotoanany ihany koa. Satria fantany tsara ny zavatra ilaintsika sy ny fotoana ilantsika izany. …

… Tsy misy na inona na inona eo amin’ny fiainanao izay rava ka tsy ho takatry ny hery manasitrana sy manavotra ary manome fahafahana an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy