2022
Mitia, mizara, manasa
Mey 2022


“Mitia, mizara, manasa,” Ho zatovo mahery! mey 2022

Fivoriana alahady maraina

Mitia, mizara, manasa

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho andian’olona mitazan-davitra ny endriky ny tontolo manodidina

Hisintona ny endrika PDF

Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany, nanomboka tamin’ny vao haingana indrindra ka hatramin’ireo efa tena za-draharaha, dia nandray anjara tamin’ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy, ka nizara ny vaovao mahafalin’ny filazantsara tamin’ireo izay sendra azy sy fantany. …

Isika koa, amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika, dia asaina hanaraka ny asa nanirahany ankehitriny. …

… Soa ihany fa ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy dia azo tanterahina amin’ny alalan’ireo fitsipika tsotra sy mora takatry ny saina izay nampianarina antsika tsirairay hatramin’ny fahazazana: mitia, mizara ary manasa. …

Ny zavatra voalohany azontsika atao dia ny mitia tahaka ny nitiavan’i Kristy. …

Isaky ny maneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny namantsika isika dia mitory ny filazantsara—na dia tsy miloaka teny iray akory aza. …

Ny fanantenanay, mazava ho azy, dia ny haneken’izy ireo ny fitiavanay, na dia tsy voafehinay aza ny mety ho fihetsik’izy ireo. …

Ny zavatra faharoa azontsika atao dia ny mizara. …

Mizara zavatra amin’ny hafa isika rehetra. …

Ahoana no ahafahantsika manampy tsotra izao ao amin’ny lisitr’ireo zavatra efa zaraintsika ny zavatra izay tiantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? …

Ny zavatra fahatelo azontsika atao dia ny manasa. …

Misy fanasana an-jatony azontsika atolotra ny hafa. Azontsika atao ny manasa ny hafa “[ho avy dia hahita].” …

Manasa anareo aho hisaintsaina ireo fomba ahafahanareo mitia sy mizara ary manasa. Rehefa manao izany ianareo dia hahatsapa fifaliana noho ny fahafantaranareo fa mihaino ny tenin’ny Mpamonjy malalantsika ianareo.

Hamoaka printy