2022
Izao no fotoana
Mey 2022


“Izao no fotoana,” Ho zatovo mahery! mey 2022.

Fivoriana alahady tolakandro

Izao no fotoana

Sombin-dahatsoratra

Sary
petadrindrina maneho famantaranandro misy fanairana

Hisintona ny endrika PDF

Tsy azo antoka foana ny hoavy. Miovaova ny toetr’andro. Tsy azo vinaniana ny tsingerina ara-toekarena. Mety hanova haingana ny fiainana ny loza voajanahary, sy ny loza hafa, ary ny aretina. Ireo trangan-javatra ireo dia tena tsy voafehintsika. Saingy misy zavatra azontsika fehezina, isan’izany ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika isan’andro. …

Eny, tokony hianatra avy amin’ny lasa isika, ary eny, tokony hiomana ho amin’ny hoavy isika. Saingy izao ihany isika no afaka manao zavatra. Izao no fotoana ahafahantsika mianatra. Izao no fotoana ahafahantsika mibebaka. Izao no fotoana ahafahantsika mitahy ny hafa sy “hampakatra ny tanana izay miraviravy.”[Hebreo 12:12]. …

 … Averiko indray ilay famporisihako tamin’ny maraina teo mba hanao ireo zavatra izay hampitombo ny fahavitrihanao ara-panahy amin’ny tsara, ilay mampitraka izay noresahin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, mba hihazonana anao handroso hatrany amin’izay fanamby sy fahafahana tonga.

Mitombo ny fahavitrihana ara-panahy rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly isika sy mitombo ny fahatakarantsika ny habe sy halalin’ny fitahiana azontsika any. Miangavy anareo aho mba hanohitra ny fomban’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ireo fitahiana mandrakizain’ny tempoly. …

Tiako ianareo ry rahalahy sy ranabavy malalako. Ary ny tena zava-dehibe dia tia anareo ny Tompo. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo. Mitarika sy mitantana ny Fiangonany Izy. Enga anie isika ho vahoaka mendrika ny Tompo, izay nilaza hoe: “Ka ho oloko hianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.” [Jeremia 30: 22].

Hamoaka printy